Numbers 33

以色列人按著军队,在摩西、亚伦的手下出埃及地所行的路程(或作:站口;下同)记在下面。
Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
摩西遵著耶和华的吩咐记载他们所行的路程,其路程乃是这样:
Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
正月十五日,就是逾越节的次日,以色列人从兰塞起行,在一切埃及人眼前昂然无惧地出去。
Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
那时,埃及人正葬埋他们的长子,就是耶和华在他们中间所击杀的;耶和华也败坏他们的神。
Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
以色列人从兰塞起行,安营在疏割。
Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
从疏割起行,安营在旷野边的以倘。
Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
从以倘起行,转到比‧哈希录,是在巴力‧洗分对面,就在密夺安营。
Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
从比‧哈希录对面起行,经过海中到了书珥旷野,又在伊坦的旷野走了三天的路程,就安营在玛拉。
Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
从玛拉起行,来到以琳(以琳有十二股水泉,七十棵棕树),就在那里安营。
Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
从以琳起行,安营在红海边。
Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
从红海边起行,安营在汛的旷野。
Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
从汛的旷野起行,安营在脱加。
Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
从脱加起行,安营在亚录。
Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
从亚录起行,安营在利非订;在那里,百姓没有水喝。
Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
从利非订起行,安营在西奈的旷野。
Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
从西奈的旷野起行,安营在基博罗‧哈他瓦。
Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
从基博罗‧哈他瓦起行,安营在哈洗录。
Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
从哈洗录起行,安营在利提玛。
Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
从利提玛起行,安营在临门帕烈。
Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
从临门帕烈起行,安营在立拿。
Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
从立拿起行,安营在勒撒。
Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
从勒撒起行,安营在基希拉他。
Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
从基希拉他起行,安营在沙斐山。
Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
从沙斐山起行,安营在哈拉大。
Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
从哈拉大起行,安营在玛吉希录。
Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
从玛吉希录起行,安营在他哈。
Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
从他哈起行,安营在他拉。
Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
从他拉起行,安营在密加。
Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
从密加起行,安营在哈摩拿。
Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
从哈摩拿起行,安营在摩西录。
Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
从摩西录起行,安营在比尼‧亚干。
Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
从比尼亚干起行,安营在曷‧哈及甲。
Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
从曷‧哈及甲起行,安营在约巴他。
Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
从约巴他起行,安营在阿博拿。
Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
从阿博拿起行,安营在以旬‧迦别。
Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
从以旬‧迦别起行,安营在寻的旷野,就是加低斯。
Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
从加低斯起行,安营在何珥山,以东地的边界。
Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.
以色列人出了埃及地后四十年,五月初一日,祭司亚伦遵著耶和华的吩咐上何珥山,就死在那里。
Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.
亚伦死在何珥山的时候年一百二十三岁。
Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
住在迦南南地的迦南人亚拉得王听说以色列人来了。
Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.
以色列人从何珥山起行,安营在撒摩拿。
Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
从撒摩拿起行,安营在普嫩。
Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
从普嫩起行,安营在阿伯。
Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
从阿伯起行,安营在以耶‧亚巴琳,摩押的边界。
Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
从以耶‧亚巴琳起行,安营在底本迦得。
Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
从底本‧迦得起行,安营在亚门低比拉太音。
Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
从亚门‧低比拉太音起行,安营在尼波对面的亚巴琳山里。
Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.
从亚巴琳山起行,安营在摩押平原─约旦河边、耶利哥对面。
Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
他们在摩押平原沿约旦河边安营,从伯‧耶施末直到亚伯‧什亭。
Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
耶和华在摩押平原─约旦河边、耶利哥对面晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
「你吩咐以色列人说:你们过约旦河进迦南地的时候,
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,
就要从你们面前赶出那里所有的居民,毁灭他们一切錾成的石像和他们一切铸成的偶像,又拆毁他们一切的邱坛。
dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
你们要夺那地,住在其中,因我把那地赐给你们为业。
dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
你们要按家室拈阄,承受那地;人多的,要把产业多分给他们;人少的,要把产业少分给他们。拈出何地给何人,就要归何人。你们要按宗族的支派承受。
Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
倘若你们不赶出那地的居民,所容留的居民就必作你们眼中的刺,肋下的荆棘,也必在你们所住的地上扰害你们。
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;
而且我素常有意怎样待他们,也必照样待你们。」
ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.