Genesis 25

亚伯拉罕又娶了一妻,名叫基土拉。
Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
基土拉给他生了心兰、约珊、米但、米甸、伊施巴,和书亚。
Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
约珊生了示巴和底但。底但的子孙是亚书利族、利都是族,和利乌米族。
Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
米甸的儿子是以法、以弗、哈诺、亚比大,和以勒大。这都是基土拉的子孙。
Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
亚伯拉罕将一切所有的都给了以撒。
Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
亚伯拉罕把财物分给他庶出的众子,趁著自己还在世的时候打发他们离开他的儿子以撒,往东方去。
Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
亚伯拉罕一生的年日是一百七十五岁。
Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
亚伯拉罕寿高年迈,气绝而死,归到他列祖【原文作本民】那里。
Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
他两个儿子以撒、以实玛利把他埋葬在麦比拉洞里。这洞在幔利前、赫人琐辖的儿子以弗崙的田中,
Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
就是亚伯拉罕向赫人买的那块田。亚伯拉罕和他妻子撒拉都葬在那里。
dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
亚伯拉罕死了以后, 神赐福给他的儿子以撒。以撒靠近庇耳‧拉海‧莱居住。
Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.
撒拉的使女埃及人夏甲给亚伯拉罕所生的儿子是以实玛利。
Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
以实玛利儿子们的名字,按著他们的家谱记在下面。以实玛利的长子是尼拜约,又有基达、亚德别、米比衫、
Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
米施玛、度玛、玛撒、
sy Misma sy Doma sy Masa
哈大、提玛、伊突、拿非施、基底玛。
sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
这是以实玛利众子的名字,照著他们的村庄、营寨,作了十二族的族长。
Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
以实玛利享寿一百三十七岁,气绝而死,归到他列祖【原文作本民】那里。
Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .
他子孙的住处在他众弟兄东边,从哈腓拉直到埃及前的书珥,正在亚述的道上。
Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
亚伯拉罕的儿子以撒的后代记在下面。亚伯拉罕生以撒。
Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
以撒娶利百加为妻的时候正四十岁。利百加是巴旦‧亚兰地的亚兰人彼土利的女儿,是亚兰人拉班的妹子。
Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
以撒因他妻子不生育,就为她祈求耶和华;耶和华应允他的祈求,他的妻子利百加就怀了孕。
Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
孩子们在她腹中彼此相争,她就说:「若是这样,我为什么活著呢【或作我为什么如此呢】?」她就去求问耶和华。
Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
耶和华对她说:两国在你腹内;两族要从你身上出来。这族必强于那族;将来大的要服事小的。
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
生产的日子到了,腹中果然是双子。
Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
先产的身体发红,浑身有毛,如同皮衣,他们就给他起名叫以扫【就是有毛的意思】。
Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
随后又生了以扫的兄弟,手抓住以扫的脚跟,因此给他起名叫雅各【就是抓住的意思】。利百加生下两个儿子的时候,以撒年正六十岁。
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
两个孩子渐渐长大,以扫善于打猎,常在田野;雅各为人安静,常住在帐棚里。
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
以撒爱以扫,因为常吃他的野味;利百加却爱雅各。
Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
有一天,雅各熬汤,以扫从田野回来累昏了。
Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
以扫对雅各说:「我累昏了,求你把这红汤给我喝。」因此以扫又叫以东【就是红的意思】。
Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
雅各说:「你今日把长子的名分卖给我吧。」
Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
以扫说:「我将要死,这长子的名分于我有什么益处呢?」
Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
雅各说:「你今日对我起誓吧。」以扫就对他起了誓,把长子的名分卖给雅各。
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.
于是雅各将饼和红豆汤给了以扫,以扫吃了喝了,便起来走了。这就是以扫轻看了他长子的名分。
Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.