II Timothy 2

我儿啊,你要在基督耶稣的恩典上刚强起来。
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
你在许多见证人面前听见我所教训的,也要交托那忠心能教导别人的人。
Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
你要和我同受苦难,好像基督耶稣的精兵。
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy.
凡在军中当兵的,不将世务缠身,好叫那招他当兵的人喜悦。
Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
人若在场上比武,非按规矩,就不能得冠冕。
Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
劳力的农夫,理当先得粮食。
Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
我所说的话你要思想,因为凡事主必给你聪明。
Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao.
你要记念耶稣基督乃是大卫的后裔,他从死里复活,正合乎我所传的福音。
Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako,
我为这福音受苦难,甚至被捆绑,像犯人一样。然而 神的道却不被捆绑。
izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
所以我为选民凡事忍耐,叫他们也可以得著那在基督耶稣里的救恩和永远的荣耀。
Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay.
有可信的话说:我们若与基督同死,也必与他同活;
Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
我们若能忍耐,也必和他一同作王;我们若不认他,他也必不认我们;
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
我们纵然失信,他仍是可信的,因为他不能背乎自己。
fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
你要使众人回想这些事,在主面前嘱咐他们:不可为言语争辩;这是没有益处的,只能败坏听见的人。
Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
你当竭力在 神面前得蒙喜悦,作无愧的工人,按著正意分解真理的道。
Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
但要远避世俗的虚谈,因为这等人必进到更不敬虔的地步。
Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin'ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
他们的话如同毒疮,越烂越大;其中有许米乃和腓理徒,
ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,
他们偏离了真道,说复活的事已过,就败坏好些人的信心。
izay nania tamin'ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan'ny maty, dia mamadika ny finoan'ny sasany.
然而, 神坚固的根基立住了;上面有这印记说:主认识谁是他的人;又说:凡称呼主名的人总要离开不义。
Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy."
在大户人家,不但有金器银器,也有木器瓦器;有作为贵重的,有作为卑贱的。
Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
人若自洁,脱离卑贱的事,就必作贵重的器皿,成为圣洁,合乎主用,预备行各样的善事。
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an'ny Tompo, voavoatra ho amin'ny asa tsara rehetra.
你要逃避少年的私欲,同那清心祷告主的人追求公义、信德、仁爱、和平。
Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
惟有那愚拙无学问的辩论,总要弃绝,因为知道这等事是起争竞的。
Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
然而主的仆人不可争竞,只要温温和和的待众人,善于教导,存心忍耐,
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
用温柔劝戒那抵挡的人;或者 神给他们悔改的心,可以明白真道,
mananatra ny mpanohitra amin'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
叫他们这已经被魔鬼任意掳去的,可以醒悟,脱离他的网罗。
ka hody ny sainy ho afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.