I Corinthians 1

奉 神旨意,蒙召作耶稣基督使徒的保罗,同兄弟所提尼,
Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
写信给在哥林多 神的教会,就是在基督耶稣里成圣、蒙召作圣徒的,以及所有在各处求告我主耶稣基督之名的人。基督是他们的主,也是我们的主。
mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
愿恩惠、平安从 神我们的父并主耶稣基督归与你们。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
我常为你们感谢我的 神,因 神在基督耶稣里所赐给你们的恩惠;
Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,
又因你们在他里面凡事富足,口才、知识都全备,
dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
正如我为基督作的见证,在你们心里得以坚固,
araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo,
以致你们在恩赐上没有一样不及人的,等候我们的主耶稣基督显现。
ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika,
他也必坚固你们到底,叫你们在我们主耶稣基督的日子无可责备。
Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.
 神是信实的,你们原是被他所召,好与他儿子─我们的主耶稣基督一同得分。
Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
弟兄们,我借我们主耶稣基督的名劝你们都说一样的话。你们中间也不可分党,只要一心一意,彼此相合。
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
因为革来氏家里的人曾对我提起弟兄们来,说你们中间有纷争。
Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
我的意思就是你们各人说:我是属保罗的;我是属亚波罗的;我是属矶法的;我是属基督的。
Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy.
基督是分开的吗?保罗为你们钉了十字架吗?你们是奉保罗的名受了洗吗?
Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
我感谢 神,除了基利司布并该犹以外,我没有给你们一个人施洗;
Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
免得有人说,你们是奉我的名受洗。
fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako ianareo.
我也给司提反家施过洗,此外给别人施洗没有,我却记不清。
Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
基督差遣我,原不是为施洗,乃是为传福音,并不用智慧的言语,免得基督的十字架落了空。
Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.
因为十字架的道理,在那灭亡的人为愚拙;在我们得救的人,却为 神的大能。
Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
就如经上所记:我要灭绝智慧人的智慧,废弃聪明人的聪明。
Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14).
智慧人在那里?文士在那里?这世上的辩士在那里? 神岂不是叫这世上的智慧变成愚拙吗?
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
世人凭自己的智慧,既不认识 神, 神就乐意用人所当作愚拙的道理,拯救那些信的人;这就是 神的智慧了。
Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;
犹太人是要神迹,希腊人是求智慧,
fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
我们却是传钉十字架的基督,在犹太人为绊脚石,在外邦人为愚拙;
fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa,
但在那蒙召的,无论是犹太人、希腊人,基督总为 神的能力, 神的智慧。
fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra.
因 神的愚拙总比人智慧, 神的软弱总比人强壮。
Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
弟兄们哪,可见你们蒙召的,按著肉体有智慧的不多,有能力的不多,有尊贵的也不多。
Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
 神却拣选了世上愚拙的,叫有智慧的羞愧;又拣选了世上软弱的,叫那强壮的羞愧。
fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
 神也拣选了世上卑贱的,被人厌恶的,以及那无有的,为要废掉那有的。
ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
使一切有血气的,在 神面前一个也不能自夸。
mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
但你们得在基督耶稣里,是本乎 神, 神又使他成为我们的智慧、公义、圣洁、救赎。
Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
如经上所记:夸口的,当指著主夸口。
mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).