Psalms 81

Ho an'ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon'i Asafa. Mihobia ho an'Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
Tsofy ny anjomara amin'ny volana; eny, amin'ny feno-volana, dia amin'ny andro firavoravoantsika.
Fa lalàna ho an'ny Isiraely izany, ary fitsipik'Andriamanitr'i Jakoba.
Notendreny ho vavolombelona eo amin'i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
Nampiala ny sorony tamin'ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin'ny fiafenan'ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin'ny ranon'i Meriba.
Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny firenena hafa.
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan'ny tenany.
Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely;
Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
Izay mankahala an'i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron'ny oloko;
Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako anao.