Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.