Numbers 8

I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Korero ki a Arona, mea atu ki a ia, Ka tahuna e koe nga rama, kia marama i nga rama e whitu te wahi i mua o taua turanga rama.
Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
I pera ano a Arona; i meinga e ia kia ka nga rama ki te wahi i mua o te turanga rama; i pera ia me ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi.
Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
A ko te mahinga tenei o te turanga rama, he mea patu te koura; ko tona take, ko ona puawai, he mea patu; ko tana hanga i te turanga rama rite tonu ki te tauira i whakakitea e Ihowa ki a Mohi.
Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Tangohia nga Riwaiti i roto i nga tama a Iharaira, ka pure i a ratou.
Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
Ko tenei tau e mea ai ki a ratou, hei pure i a ratou: tauhiuhia ki a ratou he wai hei pure, kia heua o ratou tinana katoa, a me horoi e ratou o ratou kakahu, kia ma ai.
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
Katahi ratou ka mau ki tetahi puru kuao, me tona whakahere totokore, ara te paraoa pai i konatunatua ki te hinu; me tango ano e koe tetahi atu puru kuao hei whakahere hara.
Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
Na ka kawe koe i nga Riwaiti ki mua i te tapenakara o te whakaminenga, ka tawhiu mai ai i te huihui katoa o nga tama a Iharaira:
Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
Na ka kawe koe i nga Riwaiti ki te aroaro o Ihowa: a ka popoki nga ringa o nga tama a Iharaira ki nga Riwaiti:
Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
A me whakahere e Arona nga Riwaiti ki te aroaro o Ihowa, hei whakahere poipoi ma nga tama a Iharaira, a ka waiho ratou hei mahi i te mahi a Ihowa.
ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
Na ka popoki nga ringa o nga Riwaiti ki runga ki nga matenga o nga puru: a me tuku tetahi e koe hei whakahere hara, tetahi hoki hei tahunga tinana ki a Ihowa, hei whakamarie mo nga Riwaiti.
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
Na ka whakatu koe i nga Riwaiti ki te aroaro o Arona, ki te aroaro ano o ana tama, ka whakahere ai hei whakahere poipoi ki a Ihowa.
Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
Na me momotu e koe nga Riwaiti i roto i nga tama a Iharaira, a maku nga Riwaiti.
Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
A, muri iho, ka haere nga Riwaiti ki roto, ki te mahi i te mahi o te tapenakara o te whakaminenga: a me pure ratou e koe, me whakahere hoki hei whakahere poipoi.
Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
Ka tukua rawatia mai hoki ratou ki ahau i roto i nga tama a Iharaira: hei utu mo nga mea katoa e oroko puta mai ana i te kopu, ara mo nga matamua o nga tama katoa a Iharaira i tangohia ai ratou e ahau maku.
fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
Naku hoki nga matamua katoa o nga tama a Iharaira, nga tangata me nga kararehe: no te ra i patua ai e ahau nga matamua katoa o te whenua o Ihipa taku whakatapunga i a ratou maku.
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
Na ka tangohia nei e ahau nga Riwaiti hei utu mo nga matamua katoa o nga tama a Iharaira.
Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
He mea hoatu naku nga Riwaiti i roto i nga tama a Iharaira ki a Arona ratou ko ana tama, hei mahi i nga mahi a nga tama a Iharaira, i te tapenakara o te whakaminenga, hei whakamarie mo nga tama a Iharaira: kei pa te whiu ki nga tama a Iharaira, ina whakatata nga tama a Iharaira ki te wahi tapu.
Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
Na, ko ta Mohi ratou ko Arona, ko te whakaminenga katoa o nga tama a Iharaira i mea ai ki nga Riwaiti, pera tonu me nga mea katoa i whakahau ai a Ihowa ki a Mohi mo nga Riwaiti; i pera tonu nga tama a Iharaira ki a ratou.
Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
Na ka horohoroa nga Riwaiti, a ka horoia o ratou kakahu; a whakaherea ana ratou e Arona hei whakahere poipoi ki te aroaro o Ihowa; a ka whakamarie a Arona mo ratou hei pure mo ratou.
Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
A ka mutu tera, ka tomo nga Riwaiti ki te mahi i a ratou mahi i te tapenakara o te whakaminenga, i te aroaro o Arona, i te aroaro ano hoki o ana tama: pera tonu me ta Ihowa i whakahau ai ki a Mohi mo nga Riwaiti ra ratou i mea ai ki a ratou.
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
I korero ana a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Ko te mea tenei ma nga Riwaiti; ka rua tekau ma rima o ratou tau, ka maha ake ranei, me tomo ratou ki te mahi i nga mahi o te tapenakara o te whakaminenga:
Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
Ka maha ake o ratou tau i te rima tekau, me whakamutu ta ratou mahi i nga mahi o reira, kaua ano hoki he mahi ma ratou i muri iho:
fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
Engari me minita tahi me o ratou tuakana i te tapenakara o te whakaminenga, me tiaki i nga mea e tiakina ana, kaua hoki e mahi i tetahi mahi. Ko tenei tau e mea ai ki nga Riwaiti, ina tiaki ratou.
kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.