Genesis 39

Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
A i kawea iho a Hohepa ki Ihipa; na ka hokona ia e Potiwhara, he tangata nui na Parao, he rangatira no nga kaitiaki, he Ihipiana, i roto i nga ringa o nga Ihimaeri, nana nei ia i kawe ki reira.
Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
Na i a Hohepa a Ihowa, a he tangata whai rawa ia; i noho ano ia i roto i te whare o tona ariki, o te Ihipiana.
Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra natao­ny dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy.
A i kite tona ariki kei a ia a Ihowa, pono tonu hoki i a Ihowa nga mahi katoa a tona ringa.
Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
Na ka manakohia a Hohepa e ia, ka mahi ia ki a ia: a ka waiho ia hei kaitirotiro mo tona whare, a ka homai e ia ana mea katoa ki tona ringa.
Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
A, i a ia ka waiho nei hei kaitirotiro mo tona whare, mo ana mea katoa, na ka manaakitia e Ihowa te whare o te Ihipiana he whakaaro ki a Hohepa; i runga ano i ana mea katoa te manaaki a Ihowa, i te whare, i te mara.
Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
I waiho hoki e ia i te ringa a Hohepa ana mea katoa; kihai hoki i mohiotia e ia tetahi o ana mea, heoi ano ko te taro i kai ai ia. A he tangata ataahua a Hohepa, he pai hoki ia ki te titiro atu.
Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
A, i muri i enei mea, ka anga nga kanohi o te wahine a tona ariki ki a Hohepa; a ka mea ia, Takoto taua.
Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
A ka whakakahore ia, ka mea hoki ki te wahine a tona ariki, Na, e kore toku ariki e mohio ko te aha kei ahau i roto i te whare, kua homai nei hoki e ia ana mea katoa ki toku ringa;
Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra?
Kahore tetahi i roto i tenei whare e nui ake i ahau; kahore ano hoki i kaiponuhia e ia tetahi mea ki ahau, ko koe anake, no te mea ko tana wahine koe: na, me pehea e mahi ai ahau i tenei kino nui, e hara ai ki te Atua?
Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
Heoi korero noa ia ki a Hohepa i tenei ra, i tenei ra, a kihai ia rongo ki a ia, kia takoto tahi raua, kia noho tahi raua
Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay.
Na i taua wa ka haere a Hohepa ki te whare ki te mahi i tana mahi; a kahore tetahi o nga tangata o te whare i reira i roto i te whare.
Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
Na ka hopukia ia e ia, ara tona kakahu, ka mea, Takoto taua: na ka whakarerea e ia tona kakahu ki tona ringa, a rere ana, puta ana ki waho.
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
A, no tona kitenga kua whakarerea e ia tona kakahu i roto i tona ringa, a kua rere ki waho,
dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho;
Na ka karanga ia ki nga tangata o tona whare, ka korero ki a ratou, ka mea, Titiro, kua kawea mai e ia tetahi Hiperu hei hangarau i a tatou; i haere mai ia ki ahau kia takoto maua, a he rahi toku reo ki te hamama:
ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
A, ka rongo ia he rahi toku reo ki te hamama, na ka whakarerea e ia tona kakahu ki ahau, a rere ana, puta ana ki waho.
Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano.
Na ka waiho e ia tona kakahu ki tona taha, kia hoki mai ra ano tona ariki ki tona whare.
Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
A ka korero ia ki a ia, ko aua kupu ano, ka mea, I haere mai ki ahau taua pononga Hiperu, i kawea mai nei e koe ki a matou, ki te hangarau i ahau:
ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
A, ka rahi toku reo ki te hamama, na ka whakarerea e ia tona kakahu ki ahau, a rere ana ki waho.
Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
A, ka rongo tona ariki i nga kupu a tana wahine i korero ai ia ki a ia, i mea ai, Ko nga mea enei i mea ai tau pononga ki ahau; na ka mura tona riri.
Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
A ka mau te ariki o Hohepa ki a ia, a maka ana ia ki te whare herehere, ki te wahi i herea ai nga herehere a te kingi: a noho ana ia i reira, i te whare herehere.
Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.
Otiia i a Hohepa a Ihowa, ka puta ano tona aroha ki a ia, a ka hoatu ki a ia kia manakohia ia e te rangatira o te whare herehere.
Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
A i tukua e te rangatira o te whare herehere ki te ringaringa o Hohepa nga herehere katoa i roto i te whare herehere: ko ia ano te kaimahi o nga mea katoa i meatia e ratou i reira.
Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
Kihai te rangatira o te whare herehere i titiro ki tetahi o nga mea i tona ringa; no te mea i a ia a Ihowa, i mea ano a Ihowa kia pono tana i mea ai.