Genesis 15

Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
Muri iho i enei mea ka puta moemoea mai te kupu a Ihowa ki a Aperama, ka mea, Kaua e wehi, e Aperama: ko ahau tou whakangungu rakau, tou utu nui whakaharahara.
Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
Na ka mea a Aperama, E te Ariki, e Ihowa, ko te aha e homai e koe ki ahau, e haere urikore nei ahau, a ko te taunga o toku whare hei tenei Erietera o Ramahiku?
Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
I mea ano a Aperama, Titiro hoki, kahore nei i homai e koe he uri ki ahau: a akuanei, kei tetahi tamaiti i whanau ki toku whare te mahuetanga iho o oku taonga.
Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
Na, kua puta mai te kupu a Ihowa ki a ia, i mea ia, E kore e mahue iho ou taonga mo tena; engari ka mahue iho mo tetahi e puta mai i roto i ou whekau.
Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
Na ka kawea ia e ia ki waho, a ka mea mai, Tena tirohia atu te rangi, taua hoki nga whetu, ki te taea ena e koe te tatau: a ka mea ia ki a ia, Ka pera tou uri.
Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
I whakapono hoki ia ki a Ihowa, a ka whakairia ki a ia hei tika.
Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
I mea ano ia ki a ia, Ko Ihowa ahau, nana nei koe i kawe mai i Uru o nga Karari, kia hoatu ai ki a koe tenei whenua hei kainga pumau.
Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
Ano ra ko ia, E te Ariki, e Ihowa, ma te aha ka mohio ai ahau ka riro mai tenei i ahau?
Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
Na ka mea ia ki a ia, Tikina tetahi kau maku, hei te tau toru, me tetahi koati uha, hei te tau toru, me tetahi hipi toa, hei te tau toru, me tetahi kukupa, me tetahi pi kukupa.
Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
Na tikina ana e ia aua mea katoa, a tapahia ana i waenganui, whakatakotoria ana nga wahi kia rite mai ki a raua whakawahi: ko nga manu ia kihai i tapahia e ia.
Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
A ka rere iho nga manu ki nga tinana, ka aia atu e Aperama.
Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
Na, i te rerenga o te ra, ka parangia a Aperama e te moe; na ko te whakawehi o te pouri kerekere e tau iho ana ki a ia.
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
A ka mea ia ki a Aperama, Kia tino mohio koe, ka noho manene tou uri ki tetahi whenua ehara nei i a ratou, a ka mahi ki a ratou; a e wha rau nga tau e whakatupuria kinotia ai ratou;
Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
Ka whakawakia ano e ahau te iwi e whakamahia ai ratou: a muri iho ka puta mai ratou me nga taonga maha.
Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
Ko koe ia ka haere marie ki ou matua; ka pai tou koroheketanga, a tanumia noatia koe.
Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
Kei te wha ia a nga whakatupuranga ka hoki mai ratou ki konei no te mea kahore ano kia tutuki noa te hara o nga Amori.
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
Na i te tonga o te ra, no ka pouri, na, ko te oumu paowa, me te rama e ka ana, e tika ana i waenganui o aua porohanga.
Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
I taua rangi ano ka whakaritea e Ihowa he kawenata ki a Aperama, ka mea ia, Ka hoatu e ahau tenei whenua ki tou uri, mai ra ano o te awa o Ihipa, a tae noa ki te awa nui, ki te awa, ki Uparati:
dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
Nga Keni, nga Keniti, nga Karamoni,
ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
Nga Hiti, nga Perihi, nga Repaima,
ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
Nga Amori, nga Kanaani, nga Kirikahi, me nga Iepuhi.