Genesis 16

Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
Na kahore a Harai, te wahine a Aperama, i whai tamariki mana; na he pononga wahine tana, no Ihipa, ko Hakara tona ingoa.
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray.
Na ka mea a Harai ki a Aperama, Nana, kua tutakina nei ahau e Ihowa kei whanau tamariki: mau e haere ki roto, ki taku pononga; mana pea ahau e tu ai. A ka whakarongo a Aperama ki te reo o Harai.
Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
Na ka tango a Harai, wahine a Aperama i a Hakara, i te wahine o Ihipa, i tana pononga, i te takanga o nga tau kotahi tekau o te nohoanga o Aperama i te whenua o Kanaana, a homai ana e ia ki a Aperama, ki tana tane, hei wahine mana.
Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
Na ka haere ia ki roto, ki a Hakara, a ka hapu ia: a, no tona kitenga kua hapu ia, ka iti tona rangatira wahine ki tana titiro.
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
Na ka mea a Harai ki a Aperama, Hei runga i a koe tenei tutu ki ahau: i hoatu e ahau taku pononga wahine ki tou uma; a, no tona kitenga kua hapu ia, ka iti ahau ki tana titiro iho: ma Ihowa e whakariterite taku korero me tau hoki.
Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
Na ka mea a Aperama ki a Harai, Ha, kei tou ringa ano tau pononga; mau e mea ki a ia te mea e pai ana ki tau titiro iho. Na ka whakatupu kino a Harai i a ia, a rere ana ia i tona aroaro.
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora.
A ka kitea ia e te anahera a te Atua i tetahi puna wai i te koraha, i te puna i te huarahi ki Huru,
Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
Ka mea, E Hakara, e te pononga a Harai, i haere mai koe i hea? e anga ana hoki koe ko hea? a ka mea ia, E rere ana ahau i a Harai, i toku rangatira.
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
Na ka mea te anahera a Ihowa ki a ia, Hoki atu ki tou rangatira, kia whakaririka hoki koe i raro i ona ringa.
Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
Ka mea ano te anahera a Ihowa ki a ia, Ka whakanuia rawatia e ahau tou uri, a e kore e taea te tatau, i te tini hoki.
Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
I mea ano te anahera a Ihowa ki a ia, Nana, e hapu ana koe, a ka whanau he tama, me hua e koe tona ingoa ko Ihimaera; mo Ihowa i whakarongo ki tau tangi.
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
A ka rite ia ki te kaihe mohoao i waenganui o te tangata; ka ara tona ringa ki te katoa, me te ringa o te katoa ki a ia; a ka noho ia i te aroaro o ona teina katoa.
Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
Na ka huaina e ia te ingoa o Ihowa i korero nei ki a ia, He Atua koe e kite ana: i mea hoki ia, I titiro ranei ahau i koeni ki muri i toku kaititiro mai?
Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
Koia i huaina ai taua puna ko Peererahairoi; na, kei waenganui i Karehe, i Perere.
Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.
Na ka whanau te tama a Hakara raua ko Aperama: a huaina ana e Aperama te ingoa o tana tama, i whanau nei i a Hakara, ko Ihimaera.
Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
Na e waru tekau ma ono nga tau o Aperama i te whanautanga o Ihimaera tama a Hakara raua ko Aperama.