Psalms 113

Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.
הללו יה הללו עבדי יהוה הללו את שם יהוה׃
Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
יהי שם יהוה מברך מעתה ועד עולם׃
Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.
ממזרח שמש עד מבואו מהלל שם יהוה׃
Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
רם על כל גוים יהוה על השמים כבודו׃
Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
מי כיהוה אלהינו המגביהי לשבת׃
Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
המשפילי לראות בשמים ובארץ׃
Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika,
מקימי מעפר דל מאשפת ירים אביון׃
Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.
להושיבי עם נדיבים עם נדיבי עמו׃
Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
מושיבי עקרת הבית אם הבנים שמחה הללו יה׃