Jeremiah 52

Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.
בן עשרים ואחת שנה צדקיהו במלכו ואחת עשרה שנה מלך בירושלם ושם אמו חמיטל בת ירמיהו מלבנה׃
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
ויעש הרע בעיני יהוה ככל אשר עשה יהויקים׃
Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
כי על אף יהוה היתה בירושלם ויהודה עד השליכו אותם מעל פניו וימרד צדקיהו במלך בבל׃
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
ויהי בשנה התשעית למלכו בחדש העשירי בעשור לחדש בא נבוכדראצר מלך בבל הוא וכל חילו על ירושלם ויחנו עליה ויבנו עליה דיק סביב׃
Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
ותבא העיר במצור עד עשתי עשרה שנה למלך צדקיהו׃
Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
בחדש הרביעי בתשעה לחדש ויחזק הרעב בעיר ולא היה לחם לעם הארץ׃
Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.
ותבקע העיר וכל אנשי המלחמה יברחו ויצאו מהעיר לילה דרך שער בין החמתים אשר על גן המלך וכשדים על העיר סביב וילכו דרך הערבה׃
Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
וירדפו חיל כשדים אחרי המלך וישיגו את צדקיהו בערבת ירחו וכל חילו נפצו מעליו׃
Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
ויתפשו את המלך ויעלו אתו אל מלך בבל רבלתה בארץ חמת וידבר אתו משפטים׃
Ary ny mpanjakan'i Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
וישחט מלך בבל את בני צדקיהו לעיניו וגם את כל שרי יהודה שחט ברבלתה׃
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
ואת עיני צדקיהו עור ויאסרהו בנחשתים ויבאהו מלך בבל בבלה ויתנהו בבית הפקדת עד יום מותו׃
Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
ובחדש החמישי בעשור לחדש היא שנת תשע עשרה שנה למלך נבוכדראצר מלך בבל בא נבוזראדן רב טבחים עמד לפני מלך בבל בירושלם׃
ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
וישרף את בית יהוה ואת בית המלך ואת כל בתי ירושלם ואת כל בית הגדול שרף באש׃
Ary ny manda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
ואת כל חמות ירושלם סביב נתצו כל חיל כשדים אשר את רב טבחים׃
Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
ומדלות העם ואת יתר העם הנשארים בעיר ואת הנפלים אשר נפלו אל מלך בבל ואת יתר האמון הגלה נבוזראדן רב טבחים׃
Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
ומדלות הארץ השאיר נבוזראדן רב טבחים לכרמים וליגבים׃
Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.
ואת עמודי הנחשת אשר לבית יהוה ואת המכנות ואת ים הנחשת אשר בבית יהוה שברו כשדים וישאו את כל נחשתם בבלה׃
Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
ואת הסרות ואת היעים ואת המזמרות ואת המזרקת ואת הכפות ואת כל כלי הנחשת אשר ישרתו בהם לקחו׃
Ary nentin'ny lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka avokoa,
ואת הספים ואת המחתות ואת המזרקות ואת הסירות ואת המנרות ואת הכפות ואת המנקיות אשר זהב זהב ואשר כסף כסף לקח רב טבחים׃
ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
העמודים שנים הים אחד והבקר שנים עשר נחשת אשר תחת המכנות אשר עשה המלך שלמה לבית יהוה לא היה משקל לנחשתם כל הכלים האלה׃
Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
והעמודים שמנה עשרה אמה קומה העמד האחד וחוט שתים עשרה אמה יסבנו ועביו ארבע אצבעות נבוב׃
Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
וכתרת עליו נחשת וקומת הכתרת האחת חמש אמות ושבכה ורמונים על הכותרת סביב הכל נחשת וכאלה לעמוד השני ורמונים׃
Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
ויהיו הרמנים תשעים וששה רוחה כל הרמונים מאה על השבכה סביב׃
Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
ויקח רב טבחים את שריה כהן הראש ואת צפניה כהן המשנה ואת שלשת שמרי הסף׃
ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
ומן העיר לקח סריס אחד אשר היה פקיד על אנשי המלחמה ושבעה אנשים מראי פני המלך אשר נמצאו בעיר ואת ספר שר הצבא המצבא את עם הארץ וששים איש מעם הארץ הנמצאים בתוך העיר׃
dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
ויקח אותם נבוזראדן רב טבחים וילך אותם אל מלך בבל רבלתה׃
Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
ויכה אותם מלך בבל וימתם ברבלה בארץ חמת ויגל יהודה מעל אדמתו׃
Izao no olona izay nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
זה העם אשר הגלה נבוכדראצר בשנת שבע יהודים שלשת אלפים ועשרים ושלשה׃
tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
בשנת שמונה עשרה לנבוכדראצר מירושלם נפש שמנה מאות שלשים ושנים׃
tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
בשנת שלש ועשרים לנבוכדראצר הגלה נבוזראדן רב טבחים יהודים נפש שבע מאות ארבעים וחמשה כל נפש ארבעת אלפים ושש מאות׃
Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.
ויהי בשלשים ושבע שנה לגלות יהויכן מלך יהודה בשנים עשר חדש בעשרים וחמשה לחדש נשא אויל מרדך מלך בבל בשנת מלכתו את ראש יהויכין מלך יהודה ויצא אותו מבית הכליא׃
Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
וידבר אתו טבות ויתן את כסאו ממעל לכסא מלכים אשר אתו בבבל׃
Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.
ושנה את בגדי כלאו ואכל לחם לפניו תמיד כל ימי חיו׃
Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.
וארחתו ארחת תמיד נתנה לו מאת מלך בבל דבר יום ביומו עד יום מותו כל ימי חייו׃