Numbers 10

Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
耶和华晓谕摩西说:
Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
「你要用银子做两枝号,都要锤出来的,用以招聚会众,并叫众营起行。
Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
吹这号的时候,全会众要到你那里,聚集在会幕门口。
Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
若单吹一枝,众首领,就是以色列军中的统领,要聚集到你那里。
Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
吹出大声的时候,东边安的营都要起行。
Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
二次吹出大声的时候,南边安的营都要起行。他们将起行,必吹出大声。
Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
但招聚会众的时候,你们要吹号,却不要吹出大声。
Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
亚伦子孙作祭司的要吹这号;这要作你们世世代代永远的定例。
Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.
你们在自己的地,与欺压你们的敌人打仗,就要用号吹出大声,便在耶和华─你们的 神面前得蒙纪念,也蒙拯救脱离仇敌。
Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
在你们快乐的日子和节期,并月朔,献燔祭和平安祭,也要吹号,这都要在你们的 神面前作为纪念。我是耶和华─你们的 神。」
Ary tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa, no niakaran'ny rahona niala teo ambonin'ny tabernakelin'ny Vavolombelona.
第二年二月二十日,云彩从法柜的帐幕收上去。
Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
以色列人就按站往前行,离开西奈的旷野,云彩停住在巴兰的旷野。
Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
这是他们照耶和华借摩西所吩咐的,初次往前行。
Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
按著军队首先往前行的是犹大营的纛。统领军队的是亚米拿达的儿子拿顺。
Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara.
统领以萨迦支派军队的是苏押的儿子拿坦业。
Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona.
统领西布伦支派军队的是希伦的儿子以利押。
Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely.
帐幕拆卸,革顺的子孙和米拉利的子孙就抬著帐幕先往前行。
Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
按著军队往前行的是流便营的纛。统领军队的是示丢珥的儿子以利蓿。
Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona.
统领西缅支派军队的是苏利沙代的儿子示路蔑。
Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada.
统领迦得支派军队的是丢珥的儿子以利雅萨。
Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
哥辖人抬著圣物先往前行。他们未到以前,抬帐幕的已经把帐幕支好。
Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
按著军队往前行的是以法莲营的纛,统领军队的是亚米忽的儿子以利沙玛。
Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase.
统领玛拿西支派军队的是比大蓿的儿子迦玛列。
Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina.
统领便雅悯支派军队的是基多尼的儿子亚比但。
Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
在诸营末后的是但营的纛,按著军队往前行。统领军队的是亚米沙代的儿子亚希以谢。
Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera.
统领亚设支派军队的是俄兰的儿子帕结。
Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly.
统领拿弗他利支派军队的是以南的儿子亚希拉。
Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
以色列人按著军队往前行,就是这样。
Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.
摩西对他岳父(或作:内兄)─米甸人流珥的儿子何巴─说:「我们要行路,往耶和华所应许之地去;他曾说:『我要将这地赐给你们。』现在求你和我们同去,我们必厚待你,因为耶和华指著以色列人已经应许给好处。」
Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako.
何巴回答说:「我不去;我要回本地本族那里去。」
Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
摩西说:「求你不要离开我们;因为你知道我们要在旷野安营,你可以当作我们的眼目。
Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
你若和我们同去,将来耶和华有什么好处待我们,我们也必以什么好处待你。」
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.
以色列人离开耶和华的山,往前行了三天的路程;耶和华的约柜在前头行了三天的路程,为他们寻找安歇的地方。
Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany.
他们拔营往前行,日间有耶和华的云彩在他们以上。
Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
约柜往前行的时候,摩西就说:「耶和华啊,求你兴起!愿你的仇敌四散!愿恨你的人从你面前逃跑!」
Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.
约柜停住的时候,他就说:「耶和华啊,求你回到以色列的千万人中!」