Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
ary ny tanàna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.
ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.