Joshua 12

Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay
以色列人在约旦河外向日出之地击杀二王,得他们的地,就是从亚嫩谷直到黑门山,并东边的全亚拉巴之地。
Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona,
这二王,有住希实本、亚摩利人的王西宏。他所管之地是从亚嫩谷边的亚罗珥和谷中的城,并基列一半,直到亚扪人的境界,雅博河
ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga.
与约旦河东边的亚拉巴,直到基尼烈海,又到亚拉巴的海,就是盐海,通伯‧耶西末的路,以及南方,直到毘斯迦的山根。
Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
又有巴珊王噩。他是利乏音人所剩下的,住在亚斯他录和以得来。
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
他所管之地是黑门山、撒迦、巴珊全地,直到基述人和玛迦人的境界,并基列一半,直到希实本王西宏的境界。
Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
这二王是耶和华仆人摩西和以色列人所击杀的;耶和华仆人摩西将他们的地赐给流便人、迦得人,和玛拿西半支派的人为业。
Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
约书亚和以色列人在约旦河西击杀了诸王。他们的地是从黎巴嫩平原的巴力‧迦得,直到上西珥的哈拉山。约书亚就将那地按著以色列支派的宗族分给他们为业,
dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
就是赫人、亚摩利人,迦南人、比利洗人、希未人、耶布斯人的山地、高原亚拉巴、山坡、旷野,和南地。
Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
他们的王:一个是耶利哥王,一个是靠近伯特利的艾城王,
ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;
一个是耶路撒冷王,一个是希伯崙王,
ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;
一个是耶末王,一个是拉吉王,
ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;
一个是伊矶伦王,一个是基色王,
ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;
一个是底璧王,一个是基德王,
ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;
一个是何珥玛王,一个是亚拉得王,
ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;
一个是立拿王,一个是亚杜兰王,
ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;
一个是玛基大王,一个是伯特利王,
ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;
一个是他普亚王,一个是希弗王,
ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;
一个是亚弗王,一个是拉沙崙王,
ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;
一个是玛顿王,一个是夏琐王,
ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;
一个是伸崙‧米崙王,一个是押煞王,
ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;
一个是他纳王,一个是米吉多王,
ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;
一个是基低斯王,一个是靠近迦密的约念王,
ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
一个是多珥山冈的多珥王,一个是吉甲的戈印王,
ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
一个是得撒王;共计三十一个王。