Isaiah 8

Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza."
耶和华对我说:「你取一个大牌,拿人所用的笔(或译:人常用的字),写上『玛黑珥‧沙拉勒‧哈施‧罢斯』(就是掳掠速临、抢夺快到的意思)。
Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin'i Jeberekia.
我要用诚实的见证人,祭司乌利亚和耶比利家的儿子撒迦利亚记录这事。」
Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
我─以赛亚与妻子(原文是女先知)同室;她怀孕生子,耶和华就对我说:「给他起名叫玛黑珥沙拉勒哈施罢斯;
Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
因为在这小孩子不晓得叫父叫母之先,大马士革的财宝和撒马利亚的掳物必在亚述王面前搬了去。」
Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
耶和华又晓谕我说:
Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak'i Remalia,
「这百姓既厌弃西罗亚缓流的水,喜悦利汛和利玛利的儿子;
Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
因此,主必使大河翻腾的水猛然冲来,就是亚述王和他所有的威势,必漫过一切的水道,涨过两岸;
Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
必冲入犹大,涨溢泛滥,直到颈项。以马内利啊,他展开翅膀,遍满你的地。」
Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
列国的人民哪,任凭你们喧嚷,终必破坏;远方的众人哪,当侧耳而听!任凭你们束起腰来,终必破坏;你们束起腰来,终必破坏。
Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
任凭你们同谋,终归无有;任凭你们言定,终不成立;因为 神与我们同在。
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin'ny falehan'ity firenena ity aho:
耶和华以大能的手,指教我不可行这百姓所行的道,对我这样说:
Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain'ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
「这百姓说同谋背叛,你们不要说同谋背叛。他们所怕的,你们不要怕,也不要畏惧。
Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
但要尊万军之耶和华为圣,以他为你们所当怕的,所当畏惧的。
Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin'ny firenena roa amin'ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin'ny mponina any Jerosalema.
他必作为圣所,却向以色列两家作绊脚的石头,跌人的磐石;向耶路撒冷的居民作为圈套和网罗。
Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
许多人必在其上绊脚跌倒,而且跌碎,并陷入网罗,被缠住。」
Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro.
你要捲起律法书,在我门徒中间封住训诲。
Ary hiandry an'i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin'ny taranak'i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
我要等候那掩面不顾雅各家的耶和华;我也要仰望他。
Indreto, izaho sy ireo zaza nomen'i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin'ny Isiraely Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
看哪,我与耶和华所给我的儿女,就是从住在锡安山万军之耶和华来的,在以色列中作为预兆和奇迹。
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
有人对你们说:「当求问那些交鬼的和行巫术的,就是声音绵蛮,言语微细的。」你们便回答说:「百姓不当求问自己的 神吗?岂可为活人求问死人呢?」
Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina.
人当以训诲和法度为标准;他们所说的,若不与此相符,必不得见晨光。
Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
他们必经过这地,受艰难,受饥饿;饥饿的时候,心中焦躁,咒骂自己的君王和自己的 神。
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy. Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
仰观上天,俯察下地,不料,尽是艰难、黑暗,和幽暗的痛苦。他们必被赶入乌黑的黑暗中去。