Genesis 4

Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
有一日,那人和他妻子夏娃同房,夏娃就怀孕,生了该隐【就是得的意思】,便说:「耶和华使我得了一个男子。」
Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
又生了该隐的兄弟亚伯。亚伯是牧羊的;该隐是种地的。
Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
有一日,该隐拿地里的出产为供物献给耶和华;
fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an'i Abela mbamin'ny fanatiny;
亚伯也将他羊群中头生的和羊的脂油献上。耶和华看中了亚伯和他的供物,
fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
只是看不中该隐和他的供物。该隐就大大的发怒,变了脸色。
Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
耶和华对该隐说:「你为什么发怒呢?你为什么变了脸色呢?
Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren'ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
你若行得好,岂不蒙悦纳?你若行得不好,罪就伏在门前。它必恋慕你,你却要制伏它。」
Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.
该隐与他兄弟亚伯说话;二人正在田间。该隐起来打他兄弟亚伯,把他杀了。
Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
耶和华对该隐说:「你兄弟亚伯在那里?」他说:「我不知道!我岂是看守我兄弟的吗?」
Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
耶和华说:「你作了什么事呢?你兄弟的血有声音从地里向我哀告。
Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
地开了口,从你手里接受你兄弟的血。现在你必从这地受咒诅。
Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
你种地,地不再给你效力;你必流离飘荡在地上。」
Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.
该隐对耶和华说:「我的刑罚太重,过于我所能当的。
Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
你如今赶逐我离开这地,以致不见你面;我必流离飘荡在地上,凡遇见我的必杀我。」
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
耶和华对他说:「凡杀该隐的,必遭报七倍。」耶和华就给该隐立一个记号,免得人遇见他就杀他。
Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.
于是该隐离开耶和华的面,去住在伊甸东边挪得之地。
Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zananilahy.
该隐与妻子同房,他妻子就怀孕,生了以诺。该隐建造了一座城,就按著他儿子的名将那城叫做以诺。
Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka.
以诺生以拿;以拿生米户雅利;米户雅利生玛土撒利;玛土撒利生拉麦。
Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila.
拉麦娶了两个妻:一个名叫亚大,一个名叫洗拉。
Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry.
亚大生雅八;雅八就是住帐棚、牧养牲畜之人的祖师。
Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
雅八的兄弟名叫犹八;他是一切弹琴吹箫之人的祖师。
Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama.
洗拉又生了土八该隐;他是打造各样铜铁利器的【或作:是铜匠铁匠的祖师】。土八该隐的妹子是拿玛。
Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
拉麦对他两个妻子说:亚大、洗拉,听我的声音;拉麦的妻子,细听我的话语:壮年人伤我,我把他杀了;少年人损我,我把他害了【或作我杀壮士却伤自己,我害幼童却损本身。】
Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka.
若杀该隐,遭报七倍,杀拉麦,必遭报七十七倍。
Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy.
亚当又与妻子同房,她就生了一个儿子,起名叫塞特,意思说:「 神另给我立了一个儿子代替亚伯,因为该隐杀了他。」
Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
塞特也生了一个儿子,起名叫以挪士。那时候,人才求告耶和华的名。