Genesis 5

Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
亚当的后代记在下面。当 神造人的日子,是照著自己的样式造的,
lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy.
并且造男造女。在他们被造的日子, 神赐福给他们,称他们为「人。」
Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
亚当活到一百三十岁,生了一个儿子,形像样式和自己相似,就给他起名叫塞特。
Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
亚当生塞特之后,又在世八百年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
亚当共活了九百三十岁就死了。
Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy.
塞特活到一百零五岁,生了以挪士。
Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
塞特生以挪士之后,又活了八百零七年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
塞特共活了九百一十二岁就死了。
Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy.
以挪士活到九十岁,生了该南。
Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
以挪士生该南之后,又活了八百一十五年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
以挪士共活了九百零五岁就死了。
Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy.
该南活到七十岁,生了玛勒列。
Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
该南生玛勒列之后,又活了八百四十年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
该南共活了九百一十岁就死了。
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy.
玛勒列活到六十五岁,生了雅列。
Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
玛勒列生雅列之后,又活了八百三十年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
玛勒列共活了八百九十五岁就死了。
Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy.
雅列活到一百六十二岁,生了以诺。
Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
雅列生以诺之后,又活了八百年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
雅列共活了九百六十二岁就死了。
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy.
以诺活到六十五岁,生了玛土撒拉。
Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
以诺生玛土撒拉之后,与 神同行三百年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
以诺共活了三百六十五岁。
Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra.
以诺与 神同行, 神将他取去,他就不在世了。
Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy.
玛土撒拉活到一百八十七岁,生了拉麦。
Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
玛土撒拉生拉麦之后,又活了七百八十二年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
玛土撒拉共活了九百六十九岁就死了。
Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
拉麦活到一百八十二岁,生了一个儿子,
ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah.
给他起名叫挪亚,说:「这个儿子必为我们的操作和手中的劳苦安慰我们;这操作劳苦是因为耶和华咒诅地。」
Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拉麦生挪亚之后,又活了五百九十五年,并且生儿养女。
Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
拉麦共活了七百七十七岁就死了。
Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
挪亚五百岁生了闪、含、雅弗。