Ezekiel 20

Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
第七年五月初十日,有以色列的几个长老来求问耶和华,坐在我面前。
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
「人子啊,你要告诉以色列的长老说,主耶和华如此说:你们来是求问我吗?主耶和华说:我指著我的永生起誓,我必不被你们求问。
Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
人子啊,你要审问审问他们吗?你当使他们知道他们列祖那些可憎的事,
Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
对他们说,主耶和华如此说:当日我拣选以色列,向雅各家的后裔起誓,在埃及地将自己向他们显现,说:我是耶和华─你们的 神。
tamin'izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
那日我向他们起誓,必领他们出埃及地,到我为他们察看的流奶与蜜之地;那地在万国中是有荣耀的。
dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
我对他们说,你们各人要抛弃眼所喜爱那可憎之物,不可因埃及的偶像玷污自己。我是耶和华─你们的 神。
Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
他们却悖逆我,不肯听从我,不抛弃他们眼所喜爱那可憎之物,不离弃埃及的偶像。「我就说,我要将我的忿怒倾在他们身上,在埃及地向他们成就我怒中所定的。
Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
我却为我名的缘故没有这样行,免得我名在他们所住的列国人眼前被亵渎;我领他们出埃及地,在这列国人的眼前将自己向他们显现。
Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
这样,我就使他们出埃及地,领他们到旷野,
Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
将我的律例赐给他们,将我的典章指示他们;人若遵行就必因此活著。
Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
又将我的安息日赐给他们,好在我与他们中间为证据,使他们知道我─耶和华是叫他们成为圣的。
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
以色列家却在旷野悖逆我,不顺从我的律例,厌弃我的典章(人若遵行就必因此活著),大大干犯我的安息日。「我就说,要在旷野将我的忿怒倾在他们身上,灭绝他们。
Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
我却为我名的缘故,没有这样行,免得我的名在我领他们出埃及的列国人眼前被亵渎。
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
并且我在旷野向他们起誓,必不领他们进入我所赐给他们流奶与蜜之地(那地在万国中是有荣耀的);
satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
因为他们厌弃我的典章,不顺从我的律例,干犯我的安息日,他们的心随从自己的偶像。
Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
虽然如此,我眼仍顾惜他们,不毁灭他们,不在旷野将他们灭绝净尽。
Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
「我在旷野对他们的儿女说:不要遵行你们父亲的律例,不要谨守他们的恶规,也不要因他们的偶像玷污自己。
fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
我是耶和华─你们的 神,你们要顺从我的律例,谨守遵行我的典章,
Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
且以我的安息日为圣。这日在我与你们中间为证据,使你们知道我是耶和华─你们的 神。
Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
只是他们的儿女悖逆我,不顺从我的律例,也不谨守遵行我的典章(人若遵行就必因此活著),干犯我的安息日。「我就说,要将我的忿怒倾在他们身上,在旷野向他们成就我怒中所定的。
Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
虽然如此,我却为我名的缘故缩手没有这样行,免得我的名在我领他们出埃及的列国人眼前被亵渎。
Dia nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy hafa,
并且我在旷野向他们起誓,必将他们分散在列国,四散在列邦;
satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin'ny razany.
因为他们不遵行我的典章,竟厌弃我的律例,干犯我的安息日,眼目仰望他们父亲的偶像。
Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
我也任他们遵行不美的律例,谨守不能使人活著的恶规。
Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.
因他们将一切头生的经火,我就任凭他们在这供献的事上玷污自己,好叫他们凄凉,使他们知道我是耶和华。
Koa mitenena amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany tamiko:
「人子啊,你要告诉以色列家说,主耶和华如此说:你们的列祖在得罪我的事上亵渎我;
Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
因为我领他们到了我起誓应许赐给他们的地,他们看见各高山、各茂密树,就在那里献祭,奉上惹我发怒的供物,也在那里焚烧馨香的祭牲,并浇上奠祭。
Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
我就对他们说:你们所上的那高处叫什么呢?(那高处的名字叫巴麻直到今日。)
Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,
所以你要对以色列家说,主耶和华如此说:你们仍照你们列祖所行的玷污自己吗?仍照他们可憎的事行邪淫吗?
ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
你们奉上供物使你们儿子经火的时候,仍将一切偶像玷污自己,直到今日吗?以色列家啊,我岂被你们求问吗?主耶和华说:我指著我的永生起誓,我必不被你们求问。
Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
「你们说:我们要像外邦人和列国的宗族一样,去事奉木头与石头。你们所起的这心意万不能成就。」
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
主耶和华说:「我指著我的永生起誓,我总要作王,用大能的手和伸出来的膀臂,并倾出来的忿怒,治理你们。
Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo.
我必用大能的手和伸出来的膀臂,并倾出来的忿怒,将你们从万民中领出来,从分散的列国内聚集你们。
Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
我必带你们到外邦人的旷野,在那里当面刑罚你们。
Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
我怎样在埃及地的旷野刑罚你们的列祖,也必照样刑罚你们。这是主耶和华说的。
Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
我必使你们从杖下经过,使你们被约拘束。
Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
我必从你们中间除净叛逆和得罪我的人,将他们从所寄居的地方领出来,他们却不得入以色列地。你们就知道我是耶和华。
Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.
「以色列家啊,至于你们,主耶和华如此说:从此以后若不听从我,就任凭你们去事奉偶像,只是不可再因你们的供物和偶像亵渎我的圣名。
Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
「主耶和华说:在我的圣山,就是以色列高处的山,所有以色列的全家都要事奉我。我要在那里悦纳你们,向你们要供物和初熟的土产,并一切的圣物。
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.
我从万民中领你们出来,从分散的列国内聚集你们,那时我必悦纳你们好像馨香之祭,要在外邦人眼前在你们身上显为圣。
Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
我领你们进入以色列地,就是我起誓应许赐给你们列祖之地,那时你们就知道我是耶和华。
Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.
你们在那里要追念玷污自己的行动作为,又要因所做的一切恶事厌恶自己。
Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
主耶和华说:以色列家啊,我为我名的缘故,不照著你们的恶行和你们的坏事待你们;你们就知道我是耶和华。」
耶和华的话临到我说:
「人子啊,你要面向南方,向南滴下预言攻击南方田野的树林。
对南方的树林说,要听耶和华的话。主耶和华如此说:我必使火在你中间著起,烧灭你中间的一切青树和枯树,猛烈的火焰必不熄灭。从南到北,人的脸面都被烧焦。
凡有血气的都必知道是我─耶和华使火著起,这火必不熄灭。」
于是我说:「哎!主耶和华啊,人都指著我说:他岂不是说比喻的吗?」