Ezekiel 16

Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话又临到我说:
Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,
「人子啊,你要使耶路撒冷知道她那些可憎的事,
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
说主耶和华对耶路撒冷如此说:你根本,你出世,是在迦南地;你父亲是亚摩利人,你母亲是赫人。
Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
论到你出世的景况,在你初生的日子没有为你断脐带,也没有用水洗你,使你洁净,丝毫没有撒盐在你身上,也没有用布裹你。
Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.
谁的眼也不可怜你,为你做一件这样的事怜恤你;但你初生的日子扔在田野,是因你被厌恶。
Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
「我从你旁边经过,见你滚在血中,就对你说:你虽在血中,仍可存活;你虽在血中,仍可存活。
Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
我使你生长好像田间所长的,你就渐渐长大,以致极其俊美,两乳成形,头发长成,你却仍然赤身露体。
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
我从你旁边经过,看见你的时候正动爱情,便用衣襟搭在你身上,遮盖你的赤体;又向你起誓,与你结盟,你就归于我。这是主耶和华说的。
Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rànao, dia nohosorako diloilo.
那时我用水洗你,洗净你身上的血,又用油抹你。
Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
我也使你身穿绣花衣服,脚穿海狗皮鞋,并用细麻布给你束腰,用丝绸为衣披在你身上,
Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
又用妆饰打扮你,将镯子戴在你手上,将金鍊戴在你项上。
Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
我也将环子戴在你鼻子上,将耳环戴在你耳朵上,将华冠戴在你头上。
ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana
这样,你就有金银的妆饰,穿的是细麻衣和丝绸,并绣花衣;吃的是细面、蜂蜜,并油。你也极其美貌,发达到王后的尊荣。
Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
你美貌的名声传在列邦中,你十分美貌,是因我加在你身上的威荣。这是主耶和华说的。
kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
只是你仗著自己的美貌,又因你的名声就行邪淫。你纵情淫乱,使过路的任意而行。
Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
你用衣服为自己在高处结彩,在其上行邪淫。这样的事将来必没有,也必不再行了。
Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
你又将我所给你那华美的金银、宝器为自己制造人像,与他行邪淫;
nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
又用你的绣花衣服给他披上,并将我的膏油和香料摆在他跟前;
Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
又将我赐给你的食物,就是我赐给你吃的细面、油,和蜂蜜,都摆在他跟前为馨香的供物。这是主耶和华说的。
Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
并且你将给我所生的儿女焚献给他。
Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.
你行淫乱岂是小事,竟将我的儿女杀了,使他们经火归与他吗?
Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rànao.
你行这一切可憎和淫乱的事,并未追念你幼年赤身露体滚在血中的日子。
Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
你行这一切恶事之后(主耶和华说:你有祸了!有祸了!)
dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
又为自己建造圆顶花楼,在各街上做了高台。
Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
你在一切市口上建造高台,使你的美貌变为可憎的,又与一切过路的多行淫乱。
Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
你也和你邻邦放纵情欲的埃及人行淫,加增你的淫乱,惹我发怒。
Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
因此我伸手攻击你,减少你应用的粮食,又将你交给恨你的非利士众女(众女是城邑的意思;本章下同),使她们任意待你。她们见你的淫行,为你羞耻。
Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
你因贪色无厌,又与亚述人行淫,与他们行淫之后,仍不满意,
Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
并且多行淫乱,直到那贸易之地,就是迦勒底,你仍不满意。
Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
主耶和华说:你行这一切事,都是不知羞耻妓女所行的,可见你的心是何等懦弱!
Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.
因你在一切市口上建造圆顶花楼,在各街上做了高台,你却藐视赏赐,不像妓女。
Ny vadin'olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny!
哎!你这行淫的妻啊,宁肯接外人,不接丈夫。
Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
凡妓女是得人赠送,你反倒赠送你所爱的人,贿赂他们从四围来与你行淫。
Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
你行淫与别的妇女相反,因为不是人从你行淫;你既赠送人,人并不赠送你;所以你与别的妇女相反。
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah. ry kala janga:
你这妓女啊,要听耶和华的话。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo.
主耶和华如此说:因你的污秽倾洩了,你与你所爱的行淫露出下体,又因你拜一切可憎的偶像,流儿女的血献给他,
dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
我就要将你一切相欢、相爱的,和你一切所恨的都聚集来,从四围攻击你;又将你的下体露出,使他们看尽了。
ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
我也要审判你,好像官长审判淫妇和流人血的妇女一样。我因忿怒忌恨,使流血的罪归到你身上。
Dia hatolotro ho eny an-tànan'ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
我又要将你交在他们手中;他们必拆毁你的圆顶花楼,毁坏你的高台,剥去你的衣服,夺取你的华美宝器,留下你赤身露体。
Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin'ny sabany ianao.
他们也必带多人来攻击你,用石头打死你,用刀剑刺透你,
Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
用火焚烧你的房屋,在许多妇人眼前向你施行审判。我必使你不再行淫,也不再赠送与人。
Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
这样,我就止息向你发的忿怒,我的忌恨也要离开你,我要安静不再恼怒。
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
因你不追念你幼年的日子,在这一切的事上向我发烈怒,所以我必照你所行的报应在你头上,你就不再贪淫,行那一切可憎的事。这是主耶和华说的。
Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
「凡说俗语的必用俗语攻击你,说:『母亲怎样,女儿也怎样。』
Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
你正是你母亲的女儿,厌弃丈夫和儿女;你正是你姊妹的姊妹,厌弃丈夫和儿女。你母亲是赫人,你父亲是亚摩利人。
Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
你的姊姊是撒马利亚,她和她的众女住在你左边;你的妹妹是所多玛,她和她的众女住在你右边。
Nefa tsy araka ny alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.
你没有效法她们的行为,也没有照她们可憎的事去做,你以那为小事,你一切所行的倒比她们更坏。
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
主耶和华说:我指著我的永生起誓,你妹妹所多玛与她的众女尚未行你和你众女所行的事。
Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
看哪,你妹妹所多玛的罪孽是这样:她和她的众女都心骄气傲,粮食饱足,大享安逸,并没有扶助困苦和穷乏人的手。
Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
她们狂傲,在我面前行可憎的事,我看见便将她们除掉。
Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
撒马利亚没有犯你一半的罪,你行可憎的事比她更多,使你的姊妹因你所行一切可憎的事,倒显为义。
Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
你既断定你姊妹为义(为义:或译当受羞辱),就要担当自己的羞辱;因你所犯的罪比她们更为可憎,她们就比你更显为义;你既使你的姊妹显为义,你就要抱愧担当自己的羞辱。」
Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin'izay olonao voababo,
「我必叫她们被掳的归回,就是叫所多玛和她的众女,撒马利亚和她的众女,并你们中间被掳的,都要归回,
mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy.
好使你担当自己的羞辱,并因你一切所行的使她们得安慰,你就抱愧。
Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.
你的妹妹所多玛和她的众女必归回原位;撒马利亚和她的众女,你和你的众女,也必归回原位。
Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,
在你骄傲的日子,你的恶行没有显露以先,你的口就不提你的妹妹所多玛。那受了凌辱的亚兰众女和亚兰四围非利士的众女都恨恶你,藐视你。
fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
并入上节
Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
耶和华说:你贪淫和可憎的事,你已经担当了。」
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
「主耶和华如此说:你这轻看誓言、背弃盟约的,我必照你所行的待你。
Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
然而我要追念在你幼年时与你所立的约,也要与你立定永约。
Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.
你接待你姊姊和你妹妹的时候,你要追念你所行的,自觉惭愧;并且我要将她们赐你为女儿,却不是按著前约。
Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,
我要坚定与你所立的约(你就知道我是耶和华),
mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
好使你在我赦免你一切所行的时候,心里追念,自觉抱愧,又因你的羞辱就不再开口。这是主耶和华说的。」