Ezekiel 21

ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
בן אדם שים פניך אל ירושלם והטף אל מקדשים והנבא אל אדמת ישראל׃
Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
ואמרת לאדמת ישראל כה אמר יהוה הנני אליך והוצאתי חרבי מתערה והכרתי ממך צדיק ורשע׃
Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
יען אשר הכרתי ממך צדיק ורשע לכן תצא חרבי מתערה אל כל בשר מנגב צפון׃
Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.
וידעו כל בשר כי אני יהוה הוצאתי חרבי מתערה לא תשוב עוד׃
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?
ואתה בן אדם האנח בשברון מתנים ובמרירות תאנח לעיניהם׃
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
והיה כי יאמרו אליך על מה אתה נאנח ואמרת אל שמועה כי באה ונמס כל לב ורפו כל ידים וכהתה כל רוח וכל ברכים תלכנה מים הנה באה ונהיתה נאם אדני יהוה׃
Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.
ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
בן אדם הנבא ואמרת כה אמר אדני אמר חרב חרב הוחדה וגם מרוטה׃
Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,
למען טבח טבח הוחדה למען היה לה ברק מרטה או נשיש שבט בני מאסת כל עץ׃
Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.
ויתן אתה למרטה לתפש בכף היא הוחדה חרב והיא מרטה לתת אותה ביד הורג׃
Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.
זעק והילל בן אדם כי היא היתה בעמי היא בכל נשיאי ישראל מגורי אל חרב היו את עמי לכן ספק אל ירך׃
Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;
כי בחן ומה אם גם שבט מאסת לא יהיה נאם אדני יהוה׃
Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:
ואתה בן אדם הנבא והך כף אל כף ותכפל חרב שלישתה חרב חללים היא חרב חלל הגדול החדרת להם׃
Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.
למען למוג לב והרבה המכשלים על כל שעריהם נתתי אבחת חרב אח עשויה לברק מעטה לטבח׃
Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)
התאחדי הימיני השימי השמילי אנה פניך מעדות׃
Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.
וגם אני אכה כפי אל כפי והניחתי חמתי אני יהוה דברתי׃
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.
ואתה בן אדם שים לך שנים דרכים לבוא חרב מלך בבל מארץ אחד יצאו שניהם ויד ברא בראש דרך עיר ברא׃
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.
דרך תשים לבוא חרב את רבת בני עמון ואת יהודה בירושלם בצורה׃
Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
כי עמד מלך בבל אל אם הדרך בראש שני הדרכים לקסם קסם קלקל בחצים שאל בתרפים ראה בכבד׃
Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.
בימינו היה הקסם ירושלם לשום כרים לפתח פה ברצח להרים קול בתרועה לשום כרים על שערים לשפך סללה לבנות דיק׃
Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.
והיה להם כקסום שוא בעיניהם שבעי שבעות להם והוא מזכיר עון להתפש׃
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
לכן כה אמר אדני יהוה יען הזכרכם עונכם בהגלות פשעיכם להראות חטאותיכם בכל עלילותיכם יען הזכרכם בכף תתפשו׃
Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.
ואתה חלל רשע נשיא ישראל אשר בא יומו בעת עון קץ׃
Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.
כה אמר אדני יהוה הסיר המצנפת והרים העטרה זאת לא זאת השפלה הגבה והגבה השפיל׃
Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy sy mizaha amin'ny atin-kena.
עוה עוה עוה אשימנה גם זאת לא היה עד בא אשר לו המשפט ונתתיו׃
Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
ואתה בן אדם הנבא ואמרת כה אמר אדני יהוה אל בני עמון ואל חרפתם ואמרת חרב חרב פתוחה לטבח מרוטה להכיל למען ברק׃
Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.
בחזות לך שוא בקסם לך כזב לתת אותך אל צוארי חללי רשעים אשר בא יומם בעת עון קץ׃
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.
השב אל תערה במקום אשר נבראת בארץ מכרותיך אשפט אתך׃
Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,
ושפכתי עליך זעמי באש עברתי אפיח עליך ונתתיך ביד אנשים בערים חרשי משחית׃
izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.
לאש תהיה לאכלה דמך יהיה בתוך הארץ לא תזכרי כי אני יהוה דברתי׃
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany. Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty. Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao. Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao, Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.