Jeremiah 29

先知耶利米从耶路撒冷寄信与被掳的祭司、先知,和众民,并生存的长老,就是尼布甲尼撒从耶路撒冷掳到巴比伦去的。
Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
(这在耶哥尼雅王和太后、太监,并犹大、耶路撒冷的首领,以及工匠、铁匠都离了耶路撒冷以后。)
(rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
他借沙番的儿子以利亚萨和希勒家的儿子基玛利的手寄去。他们二人是犹大王西底家打发往巴比伦去见尼布甲尼撒王的。
dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe:
信上说:「万军之耶和华─以色列的 神对一切被掳去的(就是我使他们从耶路撒冷被掳到巴比伦的人)如此说:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
你们要盖造房屋,住在其中;栽种田园,吃其中所产的;
Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
娶妻生儿女,为你们的儿子娶妻,使你们的女儿嫁人,生儿养女。在那里生养众多,不致减少。
Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
我所使你们被掳到的那城,你们要为那城求平安,为那城祷告耶和华;因为那城得平安,你们也随著得平安。
Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
万军之耶和华─以色列的 神如此说:不要被你们中间的先知和占卜的诱惑,也不要听信自己所做的梦;
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
因为他们托我的名对你们说假预言,我并没有差遣他们。这是耶和华说的。
Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
「耶和华如此说:为巴比伦所定的七十年满了以后,我要眷顾你们,向你们成就我的恩言,使你们仍回此地。
Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo.
耶和华说:我知道我向你们所怀的意念是赐平安的意念,不是降灾祸的意念,要叫你们末后有指望。
Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.
你们要呼求我,祷告我,我就应允你们。
Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
你们寻求我,若专心寻求我,就必寻见。
Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.
耶和华说:我必被你们寻见,我也必使你们被掳的人归回,将你们从各国中和我所赶你们到的各处招聚了来,又将你们带回我使你们被掳掠离开的地方。这是耶和华说的。
Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
「你们说:『耶和华在巴比伦为我们兴起先知』;
Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
所以耶和华论到坐大卫宝座的王和住在这城里的一切百姓,就是未曾与你们一同被掳的弟兄,
Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
万军之耶和华如此说:『看哪,我必使刀剑、饥荒、瘟疫临到他们,使他们像极坏的无花果,坏得不可吃。
izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
我必用刀剑、饥荒、瘟疫追赶他们,使他们在天下万国抛来抛去,在我所赶他们到的各国中,令人咒诅、惊骇、嗤笑、羞辱。
Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy
耶和华说:这是因为他们没有听从我的话,就是我从早起来差遣我仆人众先知去说的,无奈他们不听。这是耶和华说的。
noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
所以你们一切被掳去的,就是我从耶路撒冷打发到巴比伦去的,当听耶和华的话。』」
Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
万军之耶和华─以色列的 神论到哥赖雅的儿子亚哈,并玛西雅的儿子西底家,如此说:「他们是托我名向你们说假预言的,我必将他们交在巴比伦王尼布甲尼撒的手中;他要在你们眼前杀害他们。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
住巴比伦一切被掳的犹大人必借这二人赌咒说:『愿耶和华使你像巴比伦王在火中烧的西底家和亚哈一样。』
Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao,
这二人是在以色列中行了丑事,与邻舍的妻行淫,又假托我名说我未曾吩咐他们的话。知道的是我,作见证的也是我。这是耶和华说的。」
noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
「论到尼希兰人示玛雅,你当说,
Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
万军之耶和华─以色列的 神如此说:你曾用自己的名寄信给耶路撒冷的众民和祭司玛西雅的儿子西番雅,并众祭司,说:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
『耶和华已经立你西番雅为祭司,代替祭司耶何耶大,使耶和华殿中有官长,好将一切狂妄自称为先知的人用枷枷住,用锁锁住。
Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
现在亚拿突人耶利米向你们自称为先知,你们为何没有责备他呢?
koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
因为他寄信给我们在巴比伦的人说:被掳的事必长久。你们要盖造房屋,住在其中;栽种田园,吃其中所产的。』」
Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
祭司西番雅就把这信念给先知耶利米听。
Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany.
于是耶和华的话临到耶利米说:
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
「你当寄信给一切被掳的人说:『耶和华论到尼希兰人示玛雅说:因为示玛雅向你们说预言,我并没有差遣他,他使你们倚靠谎言;
Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga
所以耶和华如此说:我必刑罚尼希兰人示玛雅和他的后裔,他必无一人存留住在这民中,也不得见我所要赐与我百姓的福乐,因为他向耶和华说了叛逆的话。这是耶和华说的。』」
dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny.