Ezra 7

这事以后,波斯王亚达薛西年间,有个以斯拉,他是西莱雅的儿子,西莱雅是亚撒利雅的儿子,亚撒利雅是希勒家的儿子,
Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
希勒家是沙龙的儿子,沙龙是撒督的儿子,撒督是亚希突的儿子,
zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
亚希突是亚玛利雅的儿子,亚玛利雅是亚撒利雅的儿子,亚撒利雅是米拉约的儿子,
zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
米拉约是西拉希雅的儿子,西拉希雅是乌西的儿子,乌西是布基的儿子,
zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
布基是亚比书的儿子,亚比书是非尼哈的儿子,非尼哈是以利亚撒的儿子,以利亚撒是大祭司亚伦的儿子。
zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
这以斯拉从巴比伦上来,他是敏捷的文士,通达耶和华─以色列 神所赐摩西的律法书。王允准他一切所求的,是因耶和华─他 神的手帮助他。
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
亚达薛西王第七年,以色列人、祭司、利未人、歌唱的、守门的、尼提宁,有上耶路撒冷的。
Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
王第七年五月,以斯拉到了耶路撒冷。
Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
正月初一日,他从巴比伦起程;因他 神施恩的手帮助他,五月初一日就到了耶路撒冷。
Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
以斯拉定志考究遵行耶和华的律法,又将律例典章教训以色列人。
Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
祭司以斯拉是通达耶和华诫命和赐以色列之律例的文士。亚达薛西王赐给他们谕旨,上面写著说:
Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
「诸王之王亚达薛西,达于祭司以斯拉通达天上 神律法大德的文士,云云。
Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
住在我国中的以色列人、祭司、利未人,凡甘心上耶路撒冷去的,我降旨准他们与你同去。
Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
王与七个谋士既然差你去,照你手中 神的律法书察问犹大和耶路撒冷的景况;
Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
又带金银,就是王和谋士甘心献给住耶路撒冷、以色列 神的,
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
并带你在巴比伦全省所得的金银,和百姓、祭司乐意献给耶路撒冷─他们 神殿的礼物。
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
所以你当用这金银,急速买公牛、公绵羊、绵羊羔,和同献的素祭奠祭之物,献在耶路撒冷─你们 神殿的坛上。
Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
剩下的金银,你和你的弟兄看著怎样好,就怎样用,总要遵著你们 神的旨意。
Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
所交给你 神殿中使用的器皿,你要交在耶路撒冷 神面前。
Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
你 神殿里若再有需用的经费,你可以从王的府库里支取。
Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
「我─亚达薛西王又降旨与河西的一切库官,说:『通达天上 神律法的文士祭司以斯拉,无论向你们要什么,你们要速速地备办,
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
就是银子直到一百他连得,麦子一百柯珥,酒一百罢特,油一百罢特,盐不计其数,也要给他。
na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
凡天上之 神所吩咐的,当为天上 神的殿详细办理。为何使忿怒临到王和王众子的国呢?
Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
我又晓谕你们,至于祭司、利未人、歌唱的、守门的,和尼提宁,并在 神殿当差的人,不可叫他们进贡,交课,纳税。』
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
「以斯拉啊,要照著你 神赐你的智慧,将所有明白你 神律法的人立为士师、审判官,治理河西的百姓,使他们教训一切不明白 神律法的人。
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
凡不遵行你 神律法和王命令的人就当速速定他的罪,或治死,或充军,或抄家,或囚禁。」
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
以斯拉说:「耶和华─我们列祖的 神是应当称颂的!因他使王起这心意修饰耶路撒冷耶和华的殿,
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
又在王和谋士,并大能的军长面前施恩于我。因耶和华─我 神的手帮助我,我就得以坚强,从以色列中招聚首领,与我一同上来。」
sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.