Ezra 6

于是大利乌王降旨,要寻察典籍库内,就是在巴比伦藏宝物之处;
Ary tamin'izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
在玛代省亚马他城的宫内寻得一卷,其中记著说:
Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin'ny tanin'ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
「古列王元年,他降旨论到耶路撒冷 神的殿,要建造这殿为献祭之处,坚立殿的根基。殿高六十肘,宽六十肘,
Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran'ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
用三层大石头,一层新木头,经费要出于王库;
dia vato vaventy telo andalana sy hazo vaovao iray andalana; ary aoka haloa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka izay lany;
并且 神殿的金银器皿,就是尼布甲尼撒从耶路撒冷的殿中掠到巴比伦的,要归还带到耶路撒冷的殿中,各按原处放在 神的殿里。」
ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon'Andriamanitra avokoa.
「现在河西的总督达乃和示他波斯乃,并你们的同党,就是住河西的亚法萨迦人,你们当远离他们。
Koa amin'izany, ry Tatenay, governora any an-dafin'ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny ony, mihataha ianareo.
不要拦阻 神殿的工作,任凭犹大人的省长和犹大人的长老在原处建造 神的这殿。
Aza misakana ny fanaovana io tranon'Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon'ny Jiosy hanao io tranon'Andriamanitra io eo amin'ilay efa niorenany ihany.
我又降旨,吩咐你们向犹大人的长老为建造 神的殿当怎样行,就是从河西的款项中,急速拨取贡银作他们的经费,免得耽误工作。
Ary izaho manao didy ny amin'ny hataonareo amin'ny loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon'Andriamanitra izany: aoka ny haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
他们与天上的 神献燔祭所需用的公牛犊、公绵羊、绵羊羔,并所用的麦子、盐、酒、油,都要照耶路撒冷祭司的话,每日供给他们,不得有误;
Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,
好叫他们献馨香的祭给天上的 神,又为王和王众子的寿命祈祷。
mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.
我再降旨,无论谁更改这命令,必从他房屋中拆出一根梁来,把他举起,悬在其上,又使他的房屋成为粪堆。
Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
若有王和民伸手更改这命令,拆毁这殿,愿那使耶路撒冷的殿作为他名居所的 神将他们灭绝。我─大利乌降这旨意,当速速遵行。」
Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
于是,河西总督达乃和示他•波斯乃,并他们的同党,因大利乌王所发的命令,就急速遵行。
Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
犹大长老因先知哈该和易多的孙子撒迦利亚所说劝勉的话就建造这殿,凡事亨通。他们遵著以色列 神的命令和波斯王古列、大利乌、亚达薛西的旨意,建造完毕。
Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
大利乌王第六年,亚达月初三日,这殿修成了。
Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
以色列的祭司和利未人,并其余被掳归回的人都欢欢喜喜地行奉献 神殿的礼。
Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;
行奉献 神殿的礼就献公牛一百只,公绵羊二百只,绵羊羔四百只,又照以色列支派的数目献公山羊十二只,为以色列众人作赎罪祭;
ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
且派祭司和利未人按著班次在耶路撒冷事奉 神,是照摩西律法书上所写的。
Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.
正月十四日,被掳归回的人守逾越节。
Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;
原来,祭司和利未人一同自洁,无一人不洁净。利未人为被掳归回的众人和他们的弟兄众祭司,并为自己宰逾越节的羊羔。
fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,
从掳到之地归回的以色列人和一切除掉所染外邦人污秽、归附他们、要寻求耶和华─以色列 神的人都吃这羊羔,
Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
欢欢喜喜地守除酵节七日;因为耶和华使他们欢喜,又使亚述王的心转向他们,坚固他们的手,作以色列 神殿的工程。
ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.