Exodus 23

「不可随伙布散谣言;不可与恶人连手妄作见证。
Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
不可随众行恶;不可在争讼的事上随众偏行,作见证屈枉正直;
Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
也不可在争讼的事上偏护穷人。
Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao.
「若遇见你仇敌的牛或驴失迷了路,总要牵回来交给他。
Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
若看见恨你人的驴压卧在重驮之下,不可走开,务要和驴主一同抬开重驮。
Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
「不可在穷人争讼的事上屈枉正直。
Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
当远离虚假的事。不可杀无辜和有义的人,因我必不以恶人为义。
Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
不可受贿赂;因为贿赂能叫明眼人变瞎了,又能颠倒义人的话。
Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina.
「不可欺压寄居的;因为你们在埃及地作过寄居的,知道寄居的心。」
Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
「六年你要耕种田地,收藏土产,
Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
只是第七年要叫地歇息,不耕不种,使你民中的穷人有吃的;他们所剩下的,野兽可以吃。你的葡萄园和橄榄园也要照样办理。
fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao.
「六日你要做工,第七日要安息,使牛、驴可以歇息,并使你婢女的儿子和寄居的都可以舒畅。
Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan'ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan'ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
「凡我对你们说的话,你们要谨守。别神的名,你不可题,也不可从你口中传说。」
Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany.
「一年三次,你要向我守节。
Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
你要守除酵节,照我所吩咐你的,在亚笔月内所定的日期,吃无酵饼七天。谁也不可空手朝见我,因为你是这月出了埃及。
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
又要守收割节,所收的是你田间所种、劳碌得来初熟之物。并在年底收藏,要守收藏节。
Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
一切的男丁要一年三次朝见主耶和华。
Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.
「不可将我祭牲的血和有酵的饼一同献上;也不可将我节上祭牲的脂油留到早晨。
Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.
「地里首先初熟之物要送到耶和华─你 神的殿。不可用山羊羔母的奶煮山羊羔。」
Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
「看哪,我差遣使者在你前面,在路上保护你,领你到我所预备的地方去。
Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
他是奉我名来的;你们要在他面前谨慎,听从他的话,不可惹(惹或作:违背)他,因为他必不赦免你们的过犯。
Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
「你若实在听从他的话,照著我一切所说的去行,我就向你的仇敌作仇敌,向你的敌人作敌人。
Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.
「我的使者要在你前面行,领你到亚摩利人、赫人、比利洗人、迦南人、希未人、耶布斯人那里去,我必将他们剪除。
Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
你不可跪拜他们的神,不可事奉他,也不可效法他们的行为,却要把神像尽行拆毁,打碎他们的柱像。
Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
你们要事奉耶和华─你们的 神,他必赐福与你的粮与你的水,也必从你们中间除去疾病。
Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
你境内必没有坠胎的,不生产的。我要使你满了你年日的数目。
Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.
凡你所到的地方,我要使那里的众民在你面前惊骇,扰乱,又要使你一切仇敌转背逃跑。
Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
我要打发黄蜂飞在你前面,把希未人、迦南人、赫人撵出去。
Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
我不在一年之内将他们从你面前撵出去,恐怕地成为荒凉,野地的兽多起来害你。
Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
我要渐渐地将他们从你面前撵出去,等到你的人数加多,承受那地为业。
Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
我要定你的境界,从红海直到非利士海,又从旷野直到大河。我要将那地的居民交在你手中,你要将他们从你面前撵出去。
Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
不可和他们并他们的神立约。
Aza manao fanekena aminy na amin'ny andriamaniny ianao.
他们不可住在你的地上,恐怕他们使你得罪我。你若事奉他们的神,这必成为你的网罗。」
Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,