Exodus 22

「人若偷牛或羊,无论是宰了,是卖了,他就要以五牛赔一牛,四羊赔一羊。
Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin'izany;
人若遇见贼挖窟窿,把贼打了,以至于死,就不能为他有流血的罪。
fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
若太阳已经出来,就为他有流血的罪。贼若被拿,总要赔还。若他一无所有,就要被卖,顶他所偷的物。
Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
若他所偷的,或牛,或驴,或羊,仍在他手下存活,他就要加倍赔还。
Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.
「人若在田间或在葡萄园里放牲畜,任凭牲畜上别人的田里去吃,就必拿自己田间上好的和葡萄园上好的赔还。
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
「若点火焚烧荆棘,以致将别人堆积的禾捆,站著的禾稼,或是田园,都烧尽了,那点火的必要赔还。
Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
「人若将银钱或家具交付邻舍看守,这物从那人的家被偷去,若把贼找到了,贼要加倍赔还;
Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na tsia.
若找不到贼,那家主必就近审判官,要看看他拿了原主的物件没有。
Ny amin'ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon'olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, koa izay helohih'Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
「两个人的案件,无论是为什么过犯,或是为牛,为驴,为羊,为衣裳,或是为什么失掉之物,有一人说:『这是我的』,两造就要将案件禀告审判官,审判官定谁有罪,谁就要加倍赔还。
Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
「人若将驴,或牛,或羊,或别的牲畜,交付邻舍看守,牲畜或死,或受伤,或被赶去,无人看见,
dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
那看守的人要凭著耶和华起誓,手里未曾拿邻舍的物,本主就要罢休,看守的人不必赔还。
Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
牲畜若从看守的那里被偷去,他就要赔还本主;
Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
若被野兽撕碎,看守的要带来当作证据,所撕的不必赔还。
Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
「人若向邻舍借什么,所借的或受伤,或死,本主没有同在一处,借的人总要赔还;
Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
若本主同在一处,他就不必赔还;若是雇的,也不必赔还,本是为雇价来的。」
Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
「人若引诱没有受聘的处女,与她行淫,他总要交出聘礼,娶她为妻。
Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
若女子的父亲决不肯将女子给他,他就要按处女的聘礼,交出钱来。
Aza velomina ny vehivavy manana ody.
「行邪术的女人,不可容她存活。
Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
「凡与兽淫合的,总要把他治死。
Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
「祭祀别神,不单单祭祀耶和华的,那人必要灭绝。
Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
「不可亏负寄居的,也不可欺压他,因为你们在埃及地也作过寄居的。
Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
不可苦待寡妇和孤儿;
Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
若是苦待他们一点,他们向我一哀求,我总要听他们的哀声,
ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
并要发烈怒,用刀杀你们,使你们的妻子为寡妇,儿女为孤儿。
Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
「我民中有贫穷人与你同住,你若借钱给他,不可如放债的向他取利。
Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
你即或拿邻舍的衣服作当头,必在日落以先归还他;
Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
因他只有这一件当盖头,是他盖身的衣服,若是没有,他拿什么睡觉呢?他哀求我,我就应允,因为我是有恩惠的。
Aza miteny ratsy an'Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
「不可毁谤 神;也不可毁谤你百姓的官长。
Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
「你要从你庄稼中的谷和酒醡中滴出来的酒拿来献上,不可迟延。「你要将头生的儿子归给我。
Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
你牛羊头生的,也要这样;七天当跟著母,第八天要归给我。
Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
「你要在我面前为圣洁的人。因此,田间被野兽撕裂牲畜的肉,你们不可吃,要丢给狗吃。」