تَكُونِينَ أُكْلَةً لِلنَّارِ. دَمُكِ يَكُونُ فِي وَسْطِ الأَرْضِ. لاَ تُذْكَرِينَ، لأَنِّي أَنَا الرَّبُّ تَكَلَّمْتُ».
Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany. Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty. Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao. Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao, Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.