Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.
Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony