Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.