Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.