Genesis 13

Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
Na ka haere mai a Aperama i Ihipa, ki te tonga, raua ko tana wahine, me ana mea katoa, me Rota hoki.
Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
He nui rawa hoki nga kararehe, te hiriwa me te koura ki a Aperama.
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
Na ka turia mai e ia, a ka haere i te tonga a tae noa ki Peteere, ki te wahi i oroko tu ai tona teneti, i waenganui o Peteere, o Hai,
dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
Ki te wahi i te aata i hanga e ia ki reira i te timatanga: na ka karanga a Aperama i reira ki te ingoa o Ihowa.
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
Na ko Rota, i haere tahi nei i a Aperama, he hipi ano ana, he kau, he teneti.
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
A kihai i nui te whenua mo raua, hei nohoanga tahitanga mo raua: he nui hoki o raua rawa, te ahei raua te moho tahi.
Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kana­nita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
Na ka tautohe ki a ratou nga hepara a Aperama me nga hepara a Rota; na i taua whenua e noho ana te Kanaani me te Perihi i taua wa.
Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
Na ka mea a Aperama ki a Rota, Kaua ra taua e whakatete ki a taua, kaua hoki a taua hepara e whakatete ki a ratou; he teina nei hoki, he tuakana taua.
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
Kahore ianei te whenua katoa i tou aroaro? tena, wehe atu koe i ahau: ki te anga koe ki maui, ka ahu ahau ki matau, a ki te haere koe ki matau, na ka ahu ahau ki maui.
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
Na ka anga ake nga kanohi o Rota, ka titiro ki te mania katoa o Horano, he makuku katoa, i te mea kahore ano kia whakangaromia noatia a Horoma, a Komora e Ihowa, he pera ano me te kari a Ihowa, me te whenua hoki o Ihipa, i tou haerenga ki Toara.
Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
Na ka whiriwhiria e Rota ko te mania katoa o Horano mana; na ka haere a Rota whaka te rawhiti: a ka wehe raua i a raua.
Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
Ko Aperama i noho kite whenua o Kanaana, ko Rota i noho ki nga pa o te mania, a whakaturia ana e ia tona teneti ki Horoma.
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
Na he kino nga tangata o Horoma, he hunga hara rawa ki te aroaro o Ihowa.
Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
Na ka mea a Ihowa ki a Aperama, i muri i te wehenga atu o Rota i a ia, Anga ake ou kanohi, titiro atu hoki i te wahi e tu na koe, ki te raki, ki te tonga, ki te rawhiti, ki te hauauru:
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
Ko te whenua katoa hoki e kite atu na koe, ka hoatu e ahau ki a koe, ki tou uri hoki ake tonu atu.
Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Ka meinga hoki e ahau ou uri kia rite ki te puehu o te whenua: a ki te ahei i tetahi tangata te tatau i te puehu o te whenua, e taua ano hoki ou uri.
Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.
Whakatika, haereerea te whenua, tona roa, tona whanui; no te mea ka hoatu e ahau ki a koe.
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
Na nekehia ana tona teneti e Aperama, a haere ana, noho ana ki nga oki i Mamere, ki era i Heperona, a hanga ana e ia tetahi aata ma Ihowa ki reira.