Genesis 15

Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
After these things the word of the LORD came unto Abram in a vision, saying, Fear not, Abram: I am thy shield, and thy exceeding great reward.
Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
And Abram said, Lord GOD, what wilt thou give me, seeing I go childless, and the steward of my house is this Eliezer of Damascus?
Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
And Abram said, Behold, to me thou hast given no seed: and, lo, one born in my house is mine heir.
Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao.
And, behold, the word of the LORD came unto him, saying, This shall not be thine heir; but he that shall come forth out of thine own bowels shall be thine heir.
Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao.
And he brought him forth abroad, and said, Look now toward heaven, and tell the stars, if thou be able to number them: and he said unto him, So shall thy seed be.
Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
And he believed in the LORD; and he counted it to him for righteousness.
Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao.
And he said unto him, I am the LORD that brought thee out of Ur of the Chaldees, to give thee this land to inherit it.
Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho?
And he said, Lord GOD, whereby shall I know that I shall inherit it?
Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
And he said unto him, Take me an heifer of three years old, and a she goat of three years old, and a ram of three years old, and a turtledove, and a young pigeon.
Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
And he took unto him all these, and divided them in the midst, and laid each piece one against another: but the birds divided he not.
Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama.
And when the fowls came down upon the carcases, Abram drove them away.
Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
And when the sun was going down, a deep sleep fell upon Abram; and, lo, an horror of great darkness fell upon him.
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
And he said unto Abram, Know of a surety that thy seed shall be a stranger in a land that is not theirs, and shall serve them; and they shall afflict them four hundred years;
Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
And also that nation, whom they shall serve, will I judge: and afterward shall they come out with great substance.
Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry.
And thou shalt go to thy fathers in peace; thou shalt be buried in a good old age.
Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
But in the fourth generation they shall come hither again: for the iniquity of the Amorites is not yet full.
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.
And it came to pass, that, when the sun went down, and it was dark, behold a smoking furnace, and a burning lamp that passed between those pieces.
Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
In the same day the LORD made a covenant with Abram, saying, Unto thy seed have I given this land, from the river of Egypt unto the great river, the river Euphrates:
dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita
The Kenites, and the Kenizzites, and the Kadmonites,
ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
And the Hittites, and the Perizzites, and the Rephaims,
ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
And the Amorites, and the Canaanites, and the Girgashites, and the Jebusites.