Psalms 60

Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
למנצח על שושן עדות מכתם לדוד ללמד בהצותו את ארם נהרים ואת ארם צובה וישב יואב ויך את אדום בגיא מלח שנים עשר אלף אלהים זנחתנו פרצתנו אנפת תשובב לנו׃
Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.
הרעשתה ארץ פצמתה רפה שבריה כי מטה׃
Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.
הראיתה עמך קשה השקיתנו יין תרעלה׃
Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana.
נתתה ליראיך נס להתנוסס מפני קשט סלה׃
Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
למען יחלצון ידידיך הושיעה ימינך ועננו׃
Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
אלהים דבר בקדשו אעלזה אחלקה שכם ועמק סכות אמדד׃
Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda;
לי גלעד ולי מנשה ואפרים מעוז ראשי יהודה מחקקי׃
Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia.
מואב סיר רחצי על אדום אשליך נעלי עלי פלשת התרעעי׃
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma?
מי יבלני עיר מצור מי נחני עד אדום׃
Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
הלא אתה אלהים זנחתנו ולא תצא אלהים בצבאותינו׃
Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
הבה לנו עזרת מצר ושוא תשועת אדם׃
Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
באלהים נעשה חיל והוא יבוס צרינו׃