I John 5

Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
כל המאמין כי ישוע הוא המשיח הנה זה ילד מאלהים וכל האהב את מולידו יאהב גם את הנולד מאתו׃
Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
בזאת נדע כי נאהב את בני האלהים באהבתנו את האלהים ובשמרנו את מצותיו׃
Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
כי זאת אהבת אלהים היא אשר נשמר את מצותיו ומצותיו אינן כבדות׃
Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
כי כל הנולד מאת האלהים מנצח את העולם ואמונתנו הנצחון המנצח את העולם׃
Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
מי הוא זה המנצח את העולם אם לא המאמין בישוע שהוא בן האלהים׃
Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
זה הוא אשר בא במים ובדם ישוע המשיח לא במים לבד כי אם במים ובדם והרוח הוא המעיד כי הרוח הוא האמת׃
Fa misy telo izay manambara,
כי שלשה המה המעידים בשמים האב הדבר ורוח הקדש ושלשתם אחד המה׃
dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
ושלשה המה המעידים בארץ הרוח המים והדם ושלשתם לאחת המה׃
Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
אם נקבל עדות בני אדם הנה עדות האלהים גדולה ממנה כי זאת היא עדות האלהים אשר העיד על בנו׃
Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy.
המאמין בבן האלהים יש לו העדות בנפשו ואשר לא יאמין לאלהים לכזב שמהו יען לא האמין בעדות אשר העיד האלהים על בנו׃
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
וזאת היא העדות כי חיי עולמים נתן לנו האלהים והחיים האלה בבנו המה׃
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
אשר יש לו הבן יש לו החיים ואשר אין לו בן האלהים אין לו החיים׃
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
זאת כתבתי אליכם המאמינים בשם בן האלהים למען תדעון שיש לכם חיי עולם ולמען תאמינו בשם בן האלהים׃
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
וזה הוא בטחוננו אליו אשר אם נשאל דבר כפי רצונו ישמענו׃
ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
ומדעתנו כי ישמענו לכל אשר נשאל נדע גם זאת כי נשיג את המשאלות אשר שאלנו ממנו׃
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.
איש כי יראה את אחיו חוטא חטאת אשר לא למות שאל ישאל בעדו ויתן לו חיים לכל אשר חטאו לא למות הן יש חטא למות על זה לא אמר לשאל בעדו׃
Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty.
כל מעשה שלא כמשפט חטא היא ויש חטא שלא למות׃
Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.
ידענו כי כל הנולד מאת האלהים לא יחטא כי אשר ילד מאת האלהים ישמר את נפשו והרע לא יגע בו׃
Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa.
ידענו כי מאלהים אנחנו וכל העולם ברע הוא׃
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
וידענו כי בא בן אלהים ויתן לנו בינה לדעת את האמתי ובאמתי אנחנו בבנו ישוע המשיח זה הוא האל האמתי וחיי העולם׃
Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.
בני השמרו לכם מן האלילים אמן׃