Habakkuk 3

Ny fivavak'i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
先知哈巴谷的祷告,调用流离歌。
Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan'ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan'ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
耶和华啊,我听见你的名声(或译:言语)就惧怕。耶和华啊,求你在这些年间复兴你的作为,在这些年间显明出来;在发怒的时候以怜悯为念。
Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana. [Sela] Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
 神从提幔而来;圣者从巴兰山临到。(细拉)他的荣光遮蔽诸天;颂讚充满大地。
Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin'ny tànany; Ary ao no fieren'ny heriny.
他的辉煌如同日光;从他手里射出光线,在其中藏著他的能力。
Eo alohany no andehanan'ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
在他前面有瘟疫流行;在他脚下有热症发出。
Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
他站立,量了大地(或译:使地震动),观看,赶散万民。永久的山崩裂;长存的岭塌陷;他的作为与古时一样。
Mahita ny lain'i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain'ny tany Midiana.
我见古珊的帐棚遭难,米甸的幔子战兢。
Moa amin'ny ony va no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah ? Amin'ny ony va no ahatezeranao, Na amin'ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao ?
耶和华啊,你乘在马上,坐在得胜的车上,岂是不喜悦江河、向江河发怒气、向洋海发愤恨吗?
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan'ny teny. [Sela] Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
你的弓全然显露,向众支派所起的誓都是可信的。(细拉)你以江河分开大地。
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin'ny avo.
山岭见你,无不战惧;大水泛滥过去,深渊发声,汹涌翻腾(原文是向上举手)。
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin'ny fitoerany, Noho ny fahazavan'ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
因你的箭射出,发光,你的枪闪出光耀,日月都在本宫停住。
Amin'ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin'ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
你发愤恨通行大地,发怒气责打列国,如同打粮。
Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon'ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. [sela]
你出来要拯救你的百姓,拯救你的受膏者,打破恶人家长的头,露出他的脚(原文是根基),直到颈项。(细拉)
Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan'ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
你用敌人的戈矛刺透他战士的头;他们来如旋风,要将我们分散。他们所喜爱的是暗中吞吃贫民。
Mitety ny ranomasina amin'ny soavalinao Hianao, Dia eny amin'ny rano be miavovona.
你乘马践踏红海,就是践踏汹涌的大水。
Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon'ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran'ny mpanao an-diany hamely ny olonao.
我听见耶和华的声音,身体战兢,嘴唇发颤,骨中朽烂;我在所立之处战兢。我只可安静等候灾难之日临到,犯境之民上来。
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
虽然无花果树不发旺,葡萄树不结果,橄榄树也不效力,田地不出粮食,圈中绝了羊,棚内也没有牛;
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
然而,我要因耶和华欢欣,因救我的 神喜乐。
Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha.
主耶和华是我的力量;他使我的脚快如母鹿的蹄,又使我稳行在高处。这歌交与伶长,用丝弦的乐器。