Exodus 27

Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
「你要用皂荚木做坛。这坛要四方的,长五肘,宽五肘,高三肘。
Ary manaova ny tandrony eo amin'ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
要在坛的四拐角上做四个角,与坛接连一块,用铜把坛包裹。
Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
要做盆,收去坛上的灰,又做铲子、盘子、肉锸子、火鼎;坛上一切的器具都用铜做。
Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,
要为坛做一个铜网,在网的四角上做四个铜环,
Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
把网安在坛四面的围腰板以下,使网从下达到坛的半腰。
Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
又要用皂荚木为坛做杠,用铜包裹。
Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
这杠要穿在坛两旁的环子内,用以抬坛。
Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
要用板做坛,坛是空的,都照著在山上指示你的样式作。」
Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;
「你要做帐幕的院子。院子的南面要用撚的细麻做帷子,长一百肘。
ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
帷子的柱子要二十根,带卯的铜座二十个。柱子上的钩子和杆子都要用银子做。
Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
北面也当有帷子,长一百肘,帷子的柱子二十根,带卯的铜座二十个。柱子上的钩子和杆子都要用银子做。
Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
院子的西面当有帷子,宽五十肘,帷子的柱子十根,带卯的座十个。
Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
院子的东面要宽五十肘。
Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
门这边的帷子要十五肘,帷子的柱子三根,带卯的座三个。
Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
门那边的帷子也要十五肘,帷子的柱子三根,带卯的座三个。
Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
院子的门当有帘子,长二十肘,要拿蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻,用绣花的手工织成,柱子四根,带卯的座四个。
Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
院子四围一切的柱子都要用银杆连络,柱子上的钩子要用银做,带卯的座要用铜做。
Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
院子要长一百肘,宽五十肘,高五肘,帷子要用撚的细麻做,带卯的座要用铜做。
Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
帐幕各样用处的器具,并帐幕一切的橛子,和院子里一切的橛子,都要用铜做。」
Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
「你要吩咐以色列人,把那为点灯捣成的清橄榄油拿来给你,使灯常常点著。
Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,
在会幕中法柜前的幔外,亚伦和他的儿子,从晚上到早晨,要在耶和华面前经理这灯。这要作以色列人世世代代永远的定例。」