Exodus 26

Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
「你要用十幅幔子做帐幕。这些幔子要用撚的细麻和蓝色、紫色、朱红色线制造,并用巧匠的手工绣上基路伯。
Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
每幅幔子要长二十八肘,宽四肘,幔子都要一样的尺寸。
Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
这五幅幔子要幅幅相连;那五幅幔子也要幅幅相连。
Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
在这相连的幔子末幅边上要做蓝色的钮扣;在那相连的幔子末幅边上也要照样做。
Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
要在这相连的幔子上做五十个钮扣;在那相连的幔子上也做五十个钮扣,都要两两相对。
Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
又要做五十个金钩,用钩使幔子相连,这才成了一个帐幕。
Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy.
「你要用山羊毛织十一幅幔子,作为帐幕以上的罩棚。
Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
每幅幔子要长三十肘,宽四肘;十一幅幔子都要一样的尺寸。
Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana.
要把五幅幔子连成一幅,又把六幅幔子连成一幅,这第六幅幔子要在罩棚的前面摺上去。
Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
在这相连的幔子末幅边上要做五十个钮扣;在那相连的幔子末幅边上也做五十个钮扣。
Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
又要做五十个铜钩,钩在钮扣中,使罩棚连成一个。
Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely.
罩棚的幔子所余那垂下来的半幅幔子,要垂在帐幕的后头。
Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy.
罩棚的幔子所余长的,这边一肘,那边一肘,要垂在帐幕的两旁,遮盖帐幕。
Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
又要用染红的公羊皮做罩棚的盖;再用海狗皮做一层罩棚上的顶盖。
Ary manaova zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely.
「你要用皂荚木做帐幕的竖板。
Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
每块要长十肘,宽一肘半;
Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely.
每块必有两榫相对。帐幕一切的板都要这样做。
Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
帐幕的南面要做板二十块。
Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.
在这二十块板底下要做四十个带卯的银座,两卯接这块板上的两榫,两卯接那块板上的两榫。
Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
帐幕第二面,就是北面,也要做板二十块
Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
和带卯的银座四十个;这板底下有两卯,那板底下也有两卯。
Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
帐幕的后面,就是西面,要做板六块。
Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho.
帐幕后面的拐角要做板两块。
Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.
板的下半截要双的,上半截要整的,直顶到第一个环子;两块都要这样做两个拐角。
Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
必有八块板和十六个带卯的银座;这板底下有两卯,那板底下也有两卯。
Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
「你要用皂荚木做闩:为帐幕这面的板做五闩,
sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
为帐幕那面的板做五闩,又为帐幕后面的板做五闩。
Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
板腰间的中闩要从这一头通到那一头。
Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
板要用金子包裹,又要做板上的金环套闩;闩也要用金子包裹。
Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
要照著在山上指示你的样式立起帐幕。
Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
「你要用蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻织幔子,以巧匠的手工绣上基路伯。
Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
要把幔子挂在四根包金的皂荚木柱子上,柱子上当有金钩,柱子安在四个带卯的银座上。
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
要使幔子垂在钩子下,把法柜抬进幔子内;这幔子要将圣所和至圣所隔开。
Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra.
又要把施恩座安在至圣所内的法柜上,
Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra.
把桌子安在幔子外帐幕的北面;把灯台安在帐幕的南面,彼此相对。
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
「你要拿蓝色、紫色、朱红色线,和撚的细麻,用绣花的手工织帐幕的门帘。
Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
要用皂荚木为帘子做五根柱子,用金子包裹。柱子上当有金钩;又要为柱子用铜铸造五个带卯的座。」