Joshua 8

And the LORD said unto Joshua, Fear not, neither be thou dismayed: take all the people of war with thee, and arise, go up to Ai: see, I have given into thy hand the king of Ai, and his people, and his city, and his land:
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
And thou shalt do to Ai and her king as thou didst unto Jericho and her king: only the spoil thereof, and the cattle thereof, shall ye take for a prey unto yourselves: lay thee an ambush for the city behind it.
Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
So Joshua arose, and all the people of war, to go up against Ai: and Joshua chose out thirty thousand mighty men of valour, and sent them away by night.
Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.
And he commanded them, saying, Behold, ye shall lie in wait against the city, even behind the city: go not very far from the city, but be ye all ready:
Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
And I, and all the people that are with me, will approach unto the city: and it shall come to pass, when they come out against us, as at the first, that we will flee before them,
Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
(For they will come out after us) till we have drawn them from the city; for they will say, They flee before us, as at the first: therefore we will flee before them.
Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
Then ye shall rise up from the ambush, and seize upon the city: for the LORD your God will deliver it into your hand.
Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
And it shall be, when ye have taken the city, that ye shall set the city on fire: according to the commandment of the LORD shall ye do. See, I have commanded you.
Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
Joshua therefore sent them forth: and they went to lie in ambush, and abode between Beth–el and Ai, on the west side of Ai: but Joshua lodged that night among the people.
Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.
And Joshua rose up early in the morning, and numbered the people, and went up, he and the elders of Israel, before the people to Ai.
Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.
And all the people, even the people of war that were with him, went up, and drew nigh, and came before the city, and pitched on the north side of Ai: now there was a valley between them and Ai.
Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.
And he took about five thousand men, and set them to lie in ambush between Beth–el and Ai, on the west side of the city.
Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna.
And when they had set the people, even all the host that was on the north of the city, and their liers in wait on the west of the city, Joshua went that night into the midst of the valley.
Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.
And it came to pass, when the king of Ai saw it, that they hasted and rose up early, and the men of the city went out against Israel to battle, he and all his people, at a time appointed, before the plain; but he wist not that there were liers in ambush against him behind the city.
Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
And Joshua and all Israel made as if they were beaten before them, and fled by the way of the wilderness.
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.
And all the people that were in Ai were called together to pursue after them: and they pursued after Joshua, and were drawn away from the city.
Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
And there was not a man left in Ai or Beth–el, that went not out after Israel: and they left the city open, and pursued after Israel.
Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
And the LORD said unto Joshua, Stretch out the spear that is in thy hand toward Ai; for I will give it into thine hand. And Joshua stretched out the spear that he had in his hand toward the city.
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
And the ambush arose quickly out of their place, and they ran as soon as he had stretched out his hand: and they entered into the city, and took it, and hasted and set the city on fire.
Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.
And when the men of Ai looked behind them, they saw, and, behold, the smoke of the city ascended up to heaven, and they had no power to flee this way or that way: and the people that fled to the wilderness turned back upon the pursuers.
Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
And when Joshua and all Israel saw that the ambush had taken the city, and that the smoke of the city ascended, then they turned again, and slew the men of Ai.
Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
And the other issued out of the city against them; so they were in the midst of Israel, some on this side, and some on that side: and they smote them, so that they let none of them remain or escape.
Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
And the king of Ai they took alive, and brought him to Joshua.
Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.
And it came to pass, when Israel had made an end of slaying all the inhabitants of Ai in the field, in the wilderness wherein they chased them, and when they were all fallen on the edge of the sword, until they were consumed, that all the Israelites returned unto Ai, and smote it with the edge of the sword.
Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.
And so it was, that all that fell that day, both of men and women, were twelve thousand, even all the men of Ai.
Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
For Joshua drew not his hand back, wherewith he stretched out the spear, until he had utterly destroyed all the inhabitants of Ai.
Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
Only the cattle and the spoil of that city Israel took for a prey unto themselves, according unto the word of the LORD which he commanded Joshua.
Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
And Joshua burnt Ai, and made it an heap for ever, even a desolation unto this day.
Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
And the king of Ai he hanged on a tree until eventide: and as soon as the sun was down, Joshua commanded that they should take his carcase down from the tree, and cast it at the entering of the gate of the city, and raise thereon a great heap of stones, that remaineth unto this day.
Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
Then Joshua built an altar unto the LORD God of Israel in mount Ebal,
Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
As Moses the servant of the LORD commanded the children of Israel, as it is written in the book of the law of Moses, an altar of whole stones, over which no man hath lift up any iron: and they offered thereon burnt offerings unto the LORD, and sacrificed peace offerings.
araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
And he wrote there upon the stones a copy of the law of Moses, which he wrote in the presence of the children of Israel.
Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
And all Israel, and their elders, and officers, and their judges, stood on this side the ark and on that side before the priests the Levites, which bare the ark of the covenant of the LORD, as well the stranger, as he that was born among them; half of them over against mount Gerizim, and half of them over against mount Ebal; as Moses the servant of the LORD had commanded before, that they should bless the people of Israel.
Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
And afterward he read all the words of the law, the blessings and cursings, according to all that is written in the book of the law.
Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.
There was not a word of all that Moses commanded, which Joshua read not before all the congregation of Israel, with the women, and the little ones, and the strangers that were conversant among them.
Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.