Revelation of John 22

ויראני נחל של מים חיים זך מבהיק כעין הקרח יצא מכסא האלהים והשה׃
Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
ובתוך רחוב העיר ואל שפת הנחל מזה ומזה עץ חיים עשה פרי שנים עשר כי מדי חדש בחדשו יתן את פריו ועלה העץ לתרופת הגוים׃
teo afovoan'ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
וכל חרם לא יהיה עוד וכסא האלהים והשה יהיה בה ועבדיו ישרתהו׃
Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
והמה יראו את פניו ושמו על מצחותם׃
ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
ולילה לא יהיה עוד ולא יצטרכו עוד לאור נר ולאור שמש כי יהוה אלהים הוא יאיר להם וימלכו עד עולמי עולמים׃
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
ויאמר אלי הדברים האלה אמתים ונאמנים הם ויהוה אלהי הנביאים הקדשים שלח את מלאכו להראות את עבדיו את אשר היה יהיה במהרה׃
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
הנני בא מהר אשרי השמר את דברי נבואת הספר הזה׃
Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
ואני יוחנן הוא הראה אלה ושמעם ויהי כשמעי וכראותי ואפל לפני רגלי המלאך אשר הראני את אלה להשתחות לו׃
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
ויאמר אלי ראה אל תעשה זאת כי עבד כמוך אנכי וחבר לך ולאחיך הנביאים ולשמרים את דברי הספר הזה לאלהים השתחוה׃
Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
ויאמר אלי אל תחתם את דברי נבואת הספר הזה כי קרוב המועד׃
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
החומס יוסיף לחמס והטמא יוסיף להטמא והצדיק יוסיף להצדק והקדוש יוסיף להתקדש׃
Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
והנני בא מהר ושכרי אתי לשלם לכל איש כמעשהו׃
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
אני האלף והתו הראש והסוף הראשון והאחרון׃
Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
אשרי העשים את מצותיו למען תהיה ממשלתם בעץ החיים ובאו העירה דרך השערים׃
Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
ומחוץ לה הכלבים והמכשפים והזנים והמרצחים ועבדי האלילים וכל אהב שקר ועשהו׃
Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
אני ישוע שלחתי את מלאכי להעיד לכם את אלה בפני הקהלות אנכי שרש דוד ותולדתו כוכב נגה השחר׃
Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
והרוח והכלה אמרים בא והשמע יאמר בא והצמא יבוא והחפץ יקח מים חיים חנם׃
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
מעיד אני בכל השמע דברי נבואת הספר הזה אם יוסיף איש עליהם יוסיף עליו האלהים את המכות הכתובות בספר הזה׃
Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
ואם יגרע איש מדברי ספר הנבואה הזאת יגרע האלהים את לחקו מעץ החיים ומעיר הקדש הכתובים בספר הזה׃
ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
המעיד את אלה אמר אמנם כן אני בא מהר אמן באה נא האדון ישוע׃
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
חסד אדנינו ישוע המשיח עם כלכם כל הקדושים אמן׃
Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.