Psalms 63

מזמור לדוד בהיותו במדבר יהודה אלהים אלי אתה אשחרך צמאה לך נפשי כמה לך בשרי בארץ ציה ועיף בלי מים׃
Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
כן בקדש חזיתיך לראות עזך וכבודך׃
Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
כי טוב חסדך מחיים שפתי ישבחונך׃
Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
כן אברכך בחיי בשמך אשא כפי׃
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
כמו חלב ודשן תשבע נפשי ושפתי רננות יהלל פי׃
Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.
אם זכרתיך על יצועי באשמרות אהגה בך׃
Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.
כי היית עזרתה לי ובצל כנפיך ארנן׃
Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.
דבקה נפשי אחריך בי תמכה ימינך׃
Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
והמה לשואה יבקשו נפשי יבאו בתחתיות הארץ׃
Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;
יגירהו על ידי חרב מנת שעלים יהיו׃
Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy.
והמלך ישמח באלהים יתהלל כל הנשבע בו כי יסכר פי דוברי שקר׃
Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.