Hosea 12

אפרים רעה רוח ורדף קדים כל היום כזב ושד ירבה וברית עם אשור יכרתו ושמן למצרים יובל׃
Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
וריב ליהוה עם יהודה ולפקד על יעקב כדרכיו כמעלליו ישיב לו׃
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
בבטן עקב את אחיו ובאונו שרה את אלהים׃
Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
וישר אל מלאך ויכל בכה ויתחנן לו בית אל ימצאנו ושם ידבר עמנו׃
Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;
ויהוה אלהי הצבאות יהוה זכרו׃
Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
ואתה באלהיך תשוב חסד ומשפט שמר וקוה אל אלהיך תמיד׃
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
כנען בידו מאזני מרמה לעשק אהב׃
Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
ויאמר אפרים אך עשרתי מצאתי און לי כל יגיעי לא ימצאו לי עון אשר חטא׃
Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
ואנכי יהוה אלהיך מארץ מצרים עד אושיבך באהלים כימי מועד׃
Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
ודברתי על הנביאים ואנכי חזון הרביתי וביד הנביאים אדמה׃
Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin'ny fotoam-pivavahana.
אם גלעד און אך שוא היו בגלגל שורים זבחו גם מזבחותם כגלים על תלמי שדי׃
Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
ויברח יעקב שדה ארם ויעבד ישראל באשה ובאשה שמר׃
Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
ובנביא העלה יהוה את ישראל ממצרים ובנביא נשמר׃
Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy.
הכעיס אפרים תמרורים ודמיו עליו יטוש וחרפתו ישיב לו אדניו׃
Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.