Exodus 4

ויען משה ויאמר והן לא יאמינו לי ולא ישמעו בקלי כי יאמרו לא נראה אליך יהוה׃
Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
ויאמר אליו יהוה מזה בידך ויאמר מטה׃
Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
ויאמר השליכהו ארצה וישליכהו ארצה ויהי לנחש וינס משה מפניו׃
Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
ויאמר יהוה אל משה שלח ידך ואחז בזנבו וישלח ידו ויחזק בו ויהי למטה בכפו׃
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
למען יאמינו כי נראה אליך יהוה אלהי אבתם אלהי אברהם אלהי יצחק ואלהי יעקב׃
mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
ויאמר יהוה לו עוד הבא נא ידך בחיקך ויבא ידו בחיקו ויוצאה והנה ידו מצרעת כשלג׃
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
ויאמר השב ידך אל חיקך וישב ידו אל חיקו ויוצאה מחיקו והנה שבה כבשרו׃
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
והיה אם לא יאמינו לך ולא ישמעו לקל האת הראשון והאמינו לקל האת האחרון׃
Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
והיה אם לא יאמינו גם לשני האתות האלה ולא ישמעון לקלך ולקחת ממימי היאר ושפכת היבשה והיו המים אשר תקח מן היאר והיו לדם ביבשת׃
Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
ויאמר משה אל יהוה בי אדני לא איש דברים אנכי גם מתמול גם משלשם גם מאז דברך אל עבדך כי כבד פה וכבד לשון אנכי׃
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
ויאמר יהוה אליו מי שם פה לאדם או מי ישום אלם או חרש או פקח או עור הלא אנכי יהוה׃
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
ועתה לך ואנכי אהיה עם פיך והוריתיך אשר תדבר׃
Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
ויאמר בי אדני שלח נא ביד תשלח׃
Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
ויחר אף יהוה במשה ויאמר הלא אהרן אחיך הלוי ידעתי כי דבר ידבר הוא וגם הנה הוא יצא לקראתך וראך ושמח בלבו׃
Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
ודברת אליו ושמת את הדברים בפיו ואנכי אהיה עם פיך ועם פיהו והוריתי אתכם את אשר תעשון׃
Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
ודבר הוא לך אל העם והיה הוא יהיה לך לפה ואתה תהיה לו לאלהים׃
Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
ואת המטה הזה תקח בידך אשר תעשה בו את האתת׃
Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
וילך משה וישב אל יתר חתנו ויאמר לו אלכה נא ואשובה אל אחי אשר במצרים ואראה העודם חיים ויאמר יתרו למשה לך לשלום׃
Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
ויאמר יהוה אל משה במדין לך שב מצרים כי מתו כל האנשים המבקשים את נפשך׃
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
ויקח משה את אשתו ואת בניו וירכבם על החמר וישב ארצה מצרים ויקח משה את מטה האלהים בידו׃
Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
ויאמר יהוה אל משה בלכתך לשוב מצרימה ראה כל המפתים אשר שמתי בידך ועשיתם לפני פרעה ואני אחזק את לבו ולא ישלח את העם׃
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
ואמרת אל פרעה כה אמר יהוה בני בכרי ישראל׃
Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
ואמר אליך שלח את בני ויעבדני ותמאן לשלחו הנה אנכי הרג את בנך בכרך׃
koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
ויהי בדרך במלון ויפגשהו יהוה ויבקש המיתו׃
Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
ותקח צפרה צר ותכרת את ערלת בנה ותגע לרגליו ותאמר כי חתן דמים אתה לי׃
Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
וירף ממנו אז אמרה חתן דמים למולת׃
Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
ויאמר יהוה אל אהרן לך לקראת משה המדברה וילך ויפגשהו בהר האלהים וישק לו׃
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
ויגד משה לאהרן את כל דברי יהוה אשר שלחו ואת כל האתת אשר צוהו׃
Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
וילך משה ואהרן ויאספו את כל זקני בני ישראל׃
Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
וידבר אהרן את כל הדברים אשר דבר יהוה אל משה ויעש האתת לעיני העם׃
Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.
ויאמן העם וישמעו כי פקד יהוה את בני ישראל וכי ראה את ענים ויקדו וישתחוו׃
Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.