Deuteronomy 8

「我今日所吩咐的一切诫命,你们要谨守遵行,好叫你们存活,人数增多,且进去得耶和华向你们列祖起誓应许的那地。
Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.
你也要记念耶和华─你的 神在旷野引导你这四十年,是要苦炼你,试验你,要知道你心内如何,肯守他的诫命不肯。
Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
他苦炼你,任你饥饿,将你和你列祖所不认识的吗哪赐给你吃,使你知道,人活著不是单靠食物,乃是靠耶和华口里所出的一切话。
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
这四十年,你的衣服没有穿破,你的脚也没有肿。
Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
你当心里思想,耶和华─你 神管教你,好像人管教儿子一样。
Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
你要谨守耶和华─你 神的诫命,遵行他的道,敬畏他。
Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
因为耶和华─你 神领你进入美地,那地有河,有泉,有源,从山谷中流出水来。
Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
那地有小麦、大麦、葡萄树、无花果树、石榴树、橄榄树,和蜜。
tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
你在那地不缺食物,一无所缺。那地的石头是铁,山内可以挖铜。
tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
你吃得饱足,就要称颂耶和华─你的 神,因他将那美地赐给你了。」
Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
「你要谨慎,免得忘记耶和华─你的 神,不守他的诫命、典章、律例,就是我今日所吩咐你的;
dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
恐怕你吃得饱足,建造美好的房屋居住,
fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
你的牛羊加多,你的金银增添,并你所有的全都加增,
ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,
你就心高气傲,忘记耶和华─你的 神,就是将你从埃及地为奴之家领出来的,
dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana,
引你经过那大而可怕的旷野,那里有火蛇、蠍子、干旱无水之地。他曾为你使水从坚硬的磐石中流出来,
Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,
又在旷野将你列祖所不认识的吗哪赐给你吃,是要苦炼你,试验你,叫你终久享福;
Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
恐怕你心里说:『这货财是我力量、我能力得来的。』
ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
你要记念耶和华─你的 神,因为得货财的力量是他给你的,为要坚定他向你列祖起誓所立的约,像今日一样。
fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.
你若忘记耶和华─你的 神,随从别神,事奉敬拜,你们必定灭亡;这是我今日警戒你们的。
Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
耶和华在你们面前怎样使列国的民灭亡,你们也必照样灭亡,因为你们不听从耶和华─你们 神的话。」
tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.