Deuteronomy 24

「人若娶妻以后,见她有什么不合理的事,不喜悦她,就可以写休书交在她手中,打发她离开夫家。
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
妇人离开夫家以后,可以去嫁别人。
Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
后夫若恨恶她,写休书交在她手中,打发她离开夫家,或是娶她为妻的后夫死了,
Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
打发她去的前夫不可在妇人玷污之后再娶她为妻,因为这是耶和华所憎恶的;不可使耶和华─你 神所赐为业之地被玷污了。
ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
「新娶妻之人不可从军出征,也不可托他办理什么公事,可以在家清闲一年,使他所娶的妻快活。
Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
「不可拿人的全盘磨石或是上磨石作当头,因为这是拿人的命作当头。
Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
「若遇见人拐带以色列中的一个弟兄,当奴才待他,或是卖了他,那拐带人的就必治死。这样,便将那恶从你们中间除掉。
Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin'ny Zanak'Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
「在大痲疯的灾病上,你们要谨慎,照祭司利未人一切所指教你们的留意遵行。我怎样吩咐他们,你们要怎样遵行。
Mitandrema ny amin'ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron'ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
当记念出埃及后,在路上,耶和华─你 神向米利暗所行的事。
Tsarovy izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Miriama teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta.
「你借给邻舍,不拘是什么,不可进他家拿他的当头。
Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
要站在外面,等那向你借贷的人把当头拿出来交给你。
Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
他若是穷人,你不可留他的当头过夜。
Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
日落的时候,总要把当头还他,使他用那件衣服盖著睡觉,他就为你祝福;这在耶和华─你 神面前就是你的义了。
fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
「困苦穷乏的雇工,无论是你的弟兄或是在你城里寄居的,你不可欺负他。
Aza manao fitondrana sarotra amin'ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin'ny taninao sy ao an-tanànanao.
要当日给他工价,不可等到日落─因为他穷苦,把心放在工价上─恐怕他因你求告耶和华,罪便归你了。
Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
「不可因子杀父,也不可因父杀子;凡被杀的都为本身的罪。
Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.
「你不可向寄居的和孤儿屈枉正直,也不可拿寡妇的衣裳作当头。
Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho tsatòka.
要记念你在埃及作过奴仆。耶和华─你的 神从那里将你救赎,所以我吩咐你这样行。
Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
「你在田间收割庄稼,若忘下一捆,不可回去再取,要留给寄居的与孤儿寡妇。这样,耶和华─你 神必在你手里所办的一切事上赐福与你。
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.
你打橄榄树,枝上剩下的,不可再打;要留给寄居的与孤儿寡妇。
Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
你摘葡萄园的葡萄,所剩下的,不可再摘;要留给寄居的与孤儿寡妇。
Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
你也要记念你在埃及地作过奴仆,所以我吩咐你这样行。
Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.