Psalms 3

Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.