Psalms 124

Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:
Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.