Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah