na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.