Genesis 44

Na ka whakahau ia ki te kaitohutohu o tona whare, ka mea, Whakakiia nga peke a aua tangata ki nga kai e taea te whawhao ki roto, me maka ano te moni a tenei, a tenei, ki te waha o tana peke.
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
Whaowhina hoki taku kapu, te kapu hiriwa, ki te waha o te peke a te whakaotinga, me te moni ano mo tana witi. Na rite tonu tana i mea ai ki ta Hohepa kupu i ki ai.
ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.
A, ka marama te ata, ka tonoa atu aua tangata, ratou me a ratou kaihe.
Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
A, no to ratou haerenga atu i te pa, kihai i matara, ka mea a Hohepa ki te kaitohutohu o tona whare, Whakatika, whaia aua tangata; a, ka mau ratou i a koe, ka mea ki a ratou, He aha i utua ai e koutou te pai ki te kino?
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
Ehara ianei tenei i te mea e inu ai toku ariki, i tana hoki e kite tohu ai ia? ka kino ta koutou mahi.
Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
Na ka mau ratou i a ia, a korerotia ana e ia aua kupu ki a ratou.
Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
A ka mea ratou ki a ia, He aha enei kupu i korerotia ai e toku ariki? Aue, kia meatia tenei mea e au pononga.
Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
Nana, ko te moni i kitea e matou i te waha o a matou peke, i whakahokia mai e matou ki a koe i te whenua o Kanaana: a kia tahae matou hei aha i te hiriwa, i te koura ranei, i roto i te whare o tou ariki?
Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao?
Ki te mea ka kitea taua mea ki tetahi o au pononga, kia mate ia, kia waiho ano matou hei pononga ma toku ariki.
Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy.
A ka mea ia, Kia rite ano hoki aianei ki ta koutou i mea ai: e kitea taua mea ki tetahi, hei pononga ia maku; a kahore he whakahe mo koutou.
Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
Na hohoro tonu ta ratou tuku iho i tana peke, i tana peke, ki te whenua, a whakatuwheratia ana e ratou tana peke, tana peke.
Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
Na ka rapu ia, timata i te matamua a whakamutu ki te whakaotinga: a ka kitea te kapu i roto i te peke a Pineamine.
Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
Na ka haehae ratou i o ratou kakahu, a whakawaha ana e ratou tana kaihe, tana kaihe, hoki ana ki te pa.
Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
Na ka haere a Hura ratou ko ona tuakana, ko ona teina, ki te whare o Hohepa; a i reira tonu ia: a tapapa ana ki te whenua i tona aroaro.
Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany.
Na ka mea a Hohepa ki a ratou, He aha tenei mea i meatia nei e koutou? kihai ranei koutou i mahara he tangata matakite te penei me ahau nei?
Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
Na ka mea a Hura, He aha ta matou e mea ai ki toku ariki? he aha ta matou e korero ai? me aha ranei hei whakatika i a matou? kua kitea e te Atua te hara o au pononga; na, tenei matou hei pononga ma toku ariki, matou tahi hoki ko te tangata i kit ea nei te kapu ki a ia.
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Ano ra ko ia, Engari, kia meatia tenei e ahau! Ko te tangata i kitea nei te kapu ki a ia, ko ia hei pononga maku; ko koutou ia, haere marie koutou ki runga, ki to koutou papa.
Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.
Katahi ka whakatata a Hura ki a ia, ka mea, Tukua tau pononga, e toku ariki, kia korero i tetahi kupu ki nga taringa o toku ariki, kei mura hoki tou riri ki tau pononga: ko korua hoki ko Parao rite tahi.
Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.
I ui mai toku ariki ki ana pononga, i mea, He papa ranei to koutou, he teina ranei?
Itompo­kolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
A ka mea matou ki toku ariki, He papa ano to matou, he koroheke, me tetahi tama o tona koroheketanga, he mea iti; kua mate hoki tona tuakana, a ko ia anake i mahue o nga tamariki a tona whaea, e aroha ana hoki tona papa ki a ia.
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.
Na ka mea mai koe ki au pononga, Kawea mai ia ki raro nei, ki ahau, kia tau atu ai oku kanohi ki a ia.
Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.
Katahi matou ka mea ki toku ariki, E kore e ahei kia whakarerea tona papa e taua tamaiti: no te mea ka mate tona papa ki te mahue i a ia.
Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
Na ka mea koe ki au pononga, Ki te kahore to koutou teina, te whakaotinga, e haere tahi mai i a koutou ki raro nei, e kore koutou e kite i toku kanohi a muri ake nei.
Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
A, i to matou haerenga ki runga, ki tau pononga, ki toku papa, na, ka korerotia e matou nga kupu a toku ariki ki a ia.
Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.
A ka mea mai to matou papa, Hoki atu ki te hoko i tetahi wahi kai ma tatou.
Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
Na ka mea matou, E kore e ahei ki a matou te haere ki raro: ki te mea kei a matou to matou teina, te whakaotinga, na, ka haere matou ki raro: no te mea hoki e kore e taea e matou te titiro ki te kanohi o taua tangata, ki te kahore to matou teina, te whakaotinga, i a matou.
Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
Na ka mea tau pononga, toku papa, ki a matou, E mohio ana koutou, tokorua nga tama a maua ko taku wahine:
Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
A i haere atu tetahi i toku taha, i mea hoki ahau, He pono kua haea putia ia; a kahore ahau i kite i a ia a mohoa noa nei:
fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
Ki te tangohia ano hoki tenei e koutou i toku aroaro, a ka pono he aitua ki a ia, katahi ka meinga e koutou kia heke tangi atu toku koroheketanga ki te po.
ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
Heoi, ki te haere atu ahau ki tau pononga, ki toku papa, a kahore taua tamaiti i a matou; kei roto nei hoki i tona wairua tona wairua e paihere ana;
Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),
Na, kei tona kitenga kua kore tenei tama, ka mate ia: a ka meinga e matou, e au pononga, te koroheketanga o tau pononga, o to matou papa, kia heke tangi atu ki te po.
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.
I waiho hoki tau pononga hei utu mo tenei tama ki toku papa, i mea ahau, Ki te kahore ia e kawea mai e ahau ki a koe, na, hei whakahenga ahau ma toku papa i nga ra katoa.
Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.
Heoi kia noho ra tau pononga aianei hei utu mo tenei tama, hei pononga ma toku ariki; a kia haere tahi te tama i ona tuakana ki runga.
Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.
Me pehea hoki ahau e haere ai ki runga, ki toku papa, ki te kahore te tama i ahau? kei kite ahau i te kino e pa ana ki toku papa.
Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.