Deuteronomy 25

Ki te mea he tautohe ta etahi, a ka haere mai kia whakawakia, a ka whakawakia e nga kaiwhakariterite; me whakatika e ratou ta te tika, me whakahe ta te he;
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
A, ki te meinga te tangata kino kia whiua, na me mea ia e te kaiwhakariterite kia takoto, kia whiua ki mua i tona aroaro, kia rite ki tona kino te maha o nga whiu.
Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
Kia wha tekau ana whakapanga ki a ia, kaua e maha ake: he mea hoki, ki te tuhene, a ka maha atu i enei nga whakapanga, na ka iti tou teina ki tau titiro.
Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
Kaua e whakamokatia te kau ina takahia e ia te witi.
Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
Ki te noho tahi te taina me te tuakana, a ka mate tetahi o raua, a kahore ana tama, kaua te wahine a te tangata i mate e marenatia ki waho, ki te tangata ke; me haere tona autane ki a ia, ka tango ai i a ia hei wahine mana, me mea ki a ia nga mea e tika ana ma te autane.
Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
A, ka whanau tana matamua, ko ia hei whakarerenga iho mo te ingoa o tona tuakana, teina ranei, i mate nei, a ka kore tona ingoa e horoia atu i roto i a Iharaira.
Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.
Ki te kahore taua tangata e pai ki te tango i tona auwahine, katahi ka haere tona auwahine ki te kuwaha, ki nga kaumatua, a ka mea, E kore toku autane e pai ki te whakatupu ingoa mo tona tuakana, teina ranei, i roto i a Iharaira, e kore e meatia e ia nga mea e tika ana ma toku autane.
Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
Katahi ka karangatia ia e nga kaumatua o tona pa, a ka korero ratou ki a ia; a, ki te u tonu tana, a ka mea ia, E kore ahau e pai ki te tango i a ia;
Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
Katahi ka whakatata tona auwahine ki a ia i te tirohanga a nga kaumatua, a ka unu i tona hu i tona waewae, ka tuwha hoki ki tona mata, a ka korero ake, ka mea, Kia peneitia te tangata e kore e hanga i te whare o tona tuakana, teina ranei.
dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
A ka huaina tona ingoa i roto i a Iharaira, Ko te whare o te tangata i unuhia nei tona hu.
Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
Ki te whawhai etahi tangata ki a raua, a ka whakatata te wahine a tetahi ki te whakaora i tana tahu i te tangata e patu ana i a ia, a ka totoro tona ringa, ka mau hoki ki ona wahi ngaro;
Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
Me tapahi atu e koe tona ringa, kaua e tohu tou kanohi.
dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
Kaua e waiho i roto i tau kete nga kohatu pauna e kore e taurite, te mea nui, te mea iti.
Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
Kaua e waiho i roto i tou whare nga mehua e kore e taurite, te mea nui, te mea iti.
Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
Hei te mea rite tonu, hei te mea tika, tau kohatu pauna; hei te mea rite tonu, hei te mea tika, tau mehua: kia roa ai ou ra ki te whenua e homai nei e Ihowa, e tou Atua, ki a koe.
Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
He mea whakarihariha hoki ki a Ihowa, ki tou Atua, te hunga katoa e pena ana, te hunga katoa e he ana te mahi.
Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
Kia mahara ki ta Amareke i mea ai ki a koe i te ara, i to koutou putanga mai i Ihipa;
Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,
Ki tona tutakitanga ki a koe ki te ara, a patua iho tou hiku e ia, nga mea ngoikore katoa i muri i a koe, i a koe e hemo ana, e ngenge ana; a kihai ia i wehi ki te Atua.
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.
Mo reira e meinga koe e Ihowa, e tou Atua, kia okioki i ou hoariri katoa a tawhio noa, ki te whenua e homai nei e Ihowa, e tou Atua, ki a koe kia nohoia hei kainga tupu, me ukui rawa atu te maharatanga ki a Amareke i raro i te rangi; kei warewar e rawa koe.
Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.